Roa no voatsindron’ny antsy ary samy namoy ny ainy avokoa ireo. Ilay voalohany dia nivoaka hatramin’ny tsinainy ary na teo aza ny fialàna nenina rehetra dia tsy tàna intsony ny ainy. Ny faharoa kosa indray dia sady voatsindron’ny antsy ny ilan-kibony havia no mbola vaky be koa ny lohany rehefa voavelin’ny tavoahangy labiera. Namoy ny ainy koa io omaly na noezahina notsaboina aza. Tsy ireo ihany no zava-nitranga fa saika ireo izay nentina teny amin’ny hopitaly nandalovanay dia ireo olona naratra vokatry ny ady ny ankamaroany. Sahy nilaza ny mpitsabo fa tafiakatra 90% ireo vaky loha sy naratra noho ny ady an-dalambe. Ny voamarik’ireo olona tao amin’ny sampana vonjy aina dia saika taorian’ny misasakalina avokoa no tonga ireo naratra. Tototra olona ary tena nihoatra lavitra noho ny tamin’ny taon-dasa ny hopitaly. Ny tao amin’ny Hjra manokana ohatra, tao amin’ny sampana fameloman’aina fotsiny ihany io, dia efa 104 ny olona notsaboina tamin’ny enina ora maraina omaly. Mbola nitombo io taorian’io lera izay nandalovanay teny io. Tao ny niady vehivavy, tao ny nifamalimaly ary lasa rombo ary saika nihodidina tamin’izany avokoa ny anton’ireo fifampikasihan-tànana. Tsikaritra koa raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany, fa olona mamo ireo rehetra notsaboina. Nihoatra lavitra noho ny tamin’ny taon-dasa ny isa ary azo eritreretina fa nisy fiantraikany tamin’ny olona ny fisian’ny fihibonana tamin’iny 2019 iny ka tsy nahafahana nanao fety maromaro. Natonton’ny olona tany amin’ny faran’ny taona avokoa ny hasorenana ary dia nirara-kopana ny toaka. Dia io ny vokany, feno ady teny amin’ny kartie maro, indrindra fa ny teny ambany tanàna. Tototra olona ny toeram-pitsaboana ary betsaka ny fety izay rava noho ny ady…
D.R