- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Môtô nifandona tamin’ny fiara, iray maty, iray tsy nahatsiaro tena

Andraharo : Môtô nifandona tamin’ny fiara, iray maty, iray tsy nahatsiaro tena

Potika tsy nisy noraisina ilay kodiaran-droa, tetsy amin’ny vahalavan’Ambohimanarina ny alin’ny alahady teo, rehefa nidona tamina fiara nifanena taminy. Nandriaka ny rà.

Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany mahery tany ho any no nitranga ny loza, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana, tetsy Andraharo, tsy lavitry ny toby fivarotan-tsolika iray eny an-toerana. Môtô marika « Kymco G5 », hizotra ho any Ambohimanarina tany no nidona mafy tamina fiara kely iray, izay nifanena taminy. Vokany, rà namonto tanteraka ny arabe ary poti-by sy plastika isan-karazany no niparitaka teo amin’ilay faritra nisehoan’ny loza. Vehivavy iray, rotika tanteraka, nihoson-drà sy efa tsy nisy aina intsony no nivalampatra, metatra vitsivitsy tery aloha tery. Lehilahy iray, nitsirara tamin’ny tany, naratra mafy tsy nahatsiaro tena no nihataka kely ny môtô nentiny. Ity farany izay efa tsy azo lazaina intsony ho kodiaran-droa fa dia karaokam-by sy plastika sisa. Tetsy ankilan’izay, ilay fiara kely, potika tanteraka ny faritry ny lohany iny, niaraka tamin’ny fitaratra aloha izay vaky. Soa ihany fa nanavotra ilay vehivavy tao anatiny ny « airbag » nipoaka teo amin’ny familiana. Kanefa na izany aza, voa teo amin’ny lohany ihany ity farany, raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana hatrany.

Mafy dia mafy, tsy nisy toa izany ny fifandonana izay nanaitra ireo rehetra teny an-toerana tamin’ny torimasony. Raha ny nambaran’ireo teny an-toerana tokoa mantsy dia tena nandeha faran’izay mafy ity môtô « scooter » ity, avy any Ankazomanga avy any. Mazava ho azy malalaka tsara ny lalana amin’izany ora sy fotoana izany kanefa ny tampoka tsy nahalehilahy ilay mpitondra azy. Somary manahirana tokoa ny iny lalana iny satria rehefa tonga eo am-povoamboany eo dia lasa mizara telo tampoka ny ampahan-dalana azo handehanana, raha mikatona ho roa (mandroso sy miverina ihany) izany, raha avy aty Ankazomanga. Heverina araka izany fa mety ho samy nihazo ilay ampahan-dalana teo am-povoany izy ireo ka izay mety ho nahatonga ny loza. Tsy afa-niala intsony ilay kodiaran-droa nirimorimo noho ny hafainganam-pandeha, moa ilay fiara nifanena, sendra ny tampoka ka tsy afaka namily ny fiarany hihazo ny ankavanan-dalana. Vetivety moa dia nitangorona ny olona, niezaka namonjy ireo naratra. Tonga teny an-toerana torak’izay ihany koa ireo pôlisy misahana iny faritra iny ary ireo pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana nanao ny fizahana ifotony sy nanokatra ny fanadihadiana. Ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy nentina teo ambony môtô dia efa nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly. Nentina novonjena teny ihany koa ilay lehilahy tsy nahatsiaro tena ary ilay vehivavy tao anaty fiara, iny alina iny ihany. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici