- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Lehilahy sady mpamaky trano no mpanolana tratran'ny polisy

Ambanja : Lehilahy sady mpamaky trano no mpanolana tratran’ny polisy

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena Ambanja ny sabotsy faran’ny volana desambra noho ny resaka fanolanana sy vakitrano. Olona tsara sitrapo no niantso vonjy tamin’ny polisy ka tonga haingana ireto farany nisambotra ity rangahy ity izay mbola tra-tehaka mbola teo am-pamakiana trano. Araka ny fantatra dia efa eo amin’ny tokantrano miisa telo teo no efa lasibatr’ity rangahy ity ka saika narahany fanolanana hatrany. Isan’izany ny zazavavy kely vao 2 taona monja, tovovavy 20 taona ary ramatoa 48 taona. Tamin’ny fanadihadihana no nahafatarana fa izy irery ihany no nanantateraka izao asa ratsiny izao ary ireo tokantrano tsy misy lehilahy ireny no kendreny. Efa maty paika avokoa ny teti-dratsiny amin’izany, ary nanaovany ny fanolanana ireo vehivavy tratrany mipe-drery. Efa nametraka fotorina avokoa ireo olona ireo. Niaiky ny heloka vitany moa ity rangahy ity ary natolotra ny fitsarana.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici