Lehilahy iray antsoina hoe Andry no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny Faritany Antananarivo tamin’ny faha-29 jolay teo, noho ny resaka halatra fiara. Talohan’izany, namidiny ihany koa ny moton’ny namany, izay nindraminy ary tsy naveriny foatoana ela. Io namany io no nametraka fitoriana. Rehefa natao ny fikarohana dia tratra teny Ankadimbahoaka i Andry. Rehefa nofotorana izy dia niaiky fa namidiny tokoa ny moto, hoy ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana. Nahitana karatra polisy tsy nisy sary tany aminy; fantatra fa sandoka izany zavatra izany. Tamin’ny fotoana nisamborana azy, nitondra fiara izy. Nisy olona niaraka taminy, izay nasainy nitady mpividy an’ilay fiara.
Tetsy an-danin’izany, ny alatsinainy faha-28 jolay dia nisy olona nametraka fitoriana halatra fiara Peugeot 407 tao amin’ny biraon’ny polisy Faritany ihany. Ana teratany vahiny izay tsy eto an-toerana ity fiara ity. Ny mpanadio ny tranony no nahatsikaritra ny fahaverezana ka nampandre ny naman’ilay vazaha. Io farany no nametraka fitoriana. Natao avy hatrany ny fikarohana ka teny Ankadindramamy no hita ilay fiara tamin’ny alakamisy faha-31 jolay. Olona telo no tao anatiny, Mpamily antsoina hoe Hasina ny iray ary ny roa saika hividy. Tamin’ny fanadihadiana an’i Hasina dia nilaza izy fa i Andry no nanome azy ny fiara mba hamidiny. Nilaza izy fa 30 tapitrisa ariary no saika hamarotany azy.
Anio sabotsy no hatolotra ny Fampanoavana izy roalahy ireo.
nangonin’i r.s.