- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping tao Toamasina : Na naloa aza ny roa miliara dia tsy...

Kidnapping tao Toamasina : Na naloa aza ny roa miliara dia tsy mbola afaka I Owne Alek

Iray volana sy enina andro taorian’ny nakàna an-keriny azy dia nandeha be ny resaka hatramin’ny faran’ny herinandro teo fa natsipin’ireo mpaka an-keriny azy teo an-tokotanin’ny ray aman-dreniny ny fatin’i Owne Alek ny asabotsy lasa teo. Notsipahin’ny havany avy hatrany izany vaovao tsy marim-pototra izany ary nolazain’ireo fa tsaho. “Tsy maty izany i Owne Alek ary mino izahay ny mbola hahita azy tsy ho ela”, raha araka ny nampitain’ireo tamin’ny alàlan’ny tranonkala hifandraisan’izy ireo amin’izay mpiray hina aminy momba ity raharaha fakàna an-keriny ity. Rehefa nanontaniana ihany koa ny teo anivon’ny kaomisaria foibe ao Toamasina dia nilaza fa tsy mbola nandre izany vaovao izany. Loharanom-baovao roa karazany izay manamarina fa tsaho no nandeha hatramin’ny asabotsy teo. Dia inona indray anefa ny ao ambadik’izany tsaho izany ary iza no manana tombotsoa amin’ny fanelezana azy? Mihodidina eo indray ny fanontaniana ankehitriny. Raha tsiahivina dia ny 24 jiona lasa teo no nisy naka an-keriny i Owne Alek, tao an-tranony ao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohijafy. Tsy ela fa ny asabotsin’iny ihany dia voaloa ny vola nangatahin’ireo olon-dratsy. Teo amin’ny 500 ka hatramin’ny 800 tapitrisa ariary izany raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola navotsotr’ireo jiolahy izy. Diabetika ary mila tsindrona “insuline” isan’andro izy. Eo indrindra no mampanahy ny maro raha mbola velon’aina soa aman-tsara na tsia i Owne Alek. Ny fianakaviany dia mbola manantena hatrany ny hahita azy tsy ho ela. Midika izany fa mety mbola misy ny fifandraisana eo amin’izy ireo sy ny mpaka an-keriny. Ary raha mba halefa lalindalina kokoa ny fanadihadiana, toa ny hoe iza avy no nividy “insuline” tany amin’ny farmasia nanomboka ny 24 jiona lasa teo?

Didi R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser