Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona telo indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly vao maraimbe. Fiara taksiborosy iray no nivadika niala lalana ka nilatsaka tany anaty hantsana tamin’izany. Olona telo no maty teo no ho eo, ary anisan’izany ny mpamily, izay mbola tovolahy tanora dia tanora. Ity farany izay tafahitsoka teo amin’ny familiana ary nanahirana ny nisikotra ny razana tamin’izany. Efa ny antoandro vao tafavoaka tao ilay mpamily. Nalefa tany amin’ny hopitaly Antsirabe avokoa ny razana sy ny naratra. Araka ny fanazavana azo aloha hatreto dia vokatry ny torimaso fotsy nahatonga ny loza. «Vokatry ny harerahana nahazo ny mpamily. Tratran’ny toromaso fotsy izy ary tsy nahatana ny familiana », hoy ny fanazavana. Na izany aza, misokatra hatrany ny fanadihadiana momba ity loza ity. Lozam-pifamovoizana izay efa miseho matetika amin’ny lalam-pirenena, indrindra ny lalam-pirenena fahafito. Anisan’ny lalana lava rahateo iny lalam-pirenena iny, ka ireo fiara mandeha mivantana avy aty Antananarivo mihazo an’i Toliara matetika no tra-doza. Indraindray tsy misy mpamily mpanolo ireo saofera taksiborosy ka reraka ary mety hamoa-doza. Tsy manaja io fepetra io ny mpamily, mety ho vokatry ny sitrany ahay. Rehefa tsy hajaina anefa ny fepetra na ny lalàna mipetraka dia loza no mitranga. Ny lalàna napetraky ny fanjakana amin’izao momba ny tsy fahafahan’ny taksiborosy mitondra entam-be intsony, izay miteraka resabe amin’ny mpamily sy ny mpandeha. Nanamafy anefa ny minisitera sy ny ATT fa ny vesatra mihoatra entin’ny fiara mpitatitra olona, miavoavo eo ambonin’ny fiara sady mandeha lavitra, dia anisan’ny antony mety hitarika ny loza. Rehefa mbola tsy resy lahatra amin’izany ny rehetra dia hitohy hatrany ny loza mety hitranga. Eo ihany koa ny fisian’ny mpamily mpanampy na mpisolo amin’ny lalana lavitra loatra, ny fakana aina sns. Ny fanarahana izany rehetra izany dia mety hampihena hatrany amin’ny 99 % ny tahan’ny mety hahatonga ny lozam-pifamoivoizana.
Yv Sam



