- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha famonoan’olona tao Brickaville : Milaza ny hitory ny zandary ireo fianakaviana

Raharaha famonoan’olona tao Brickaville : Milaza ny hitory ny zandary ireo fianakaviana

Hentitra tamin’ny filazany ireo fianakavin’ilay lehilahy maty notifirin’ny zandary tao Brickaville, fa nitovy endrika tamin’ity mpanao fanafihana mitampiadiana ity fotsiny ny havany fa tsy jiolahy. Marihina fa nisy fanafihan-jiolahy tany an-toerana ny andron’ny alakamisy 07 janoary lasa teo ka voatifitra tamin’izany io lehilahy maty io. Hitory ny zandary ho namono olona eo anivon’ny fampanoavana izy ireo rehefa avy mandevina ny havany any Sainte Marie. Nambaran’izy ireo mantsy fa sady tsy jiolahy mpanao fanafihana ny havany, no mbola nanana ny taratasy nilaza ny nahatongany tany Brickaville ihany koa, fa tsy misy ifandraisany mihintsy ny raharaha fanafihana afa-tsy ny hoe fitoviana tamin’ilay jiolahy mbola tsy tratra fotsiny angaha. Raha ny vaovao mantsy dia efa tratran’ny zandary tao Brickaville ny roa tamin’ireo telo lahy saika hanafika ity teratany sinoa “assistant parlementaire” tamin’ilay depiote tao Brickaville teo aloha no mpandraharaha ao an-toerana ihany koa. Ilay fahatelo no mbola karohina ka izao nanaovan’ny zandary antsonjay namonoana ity lehilahy tsy misy ifandraisany amin’ny asan-jiolahy ity izao, satria mpiasa an-tsambo no asan’ity lehilahy notifirin’ny zandary ity. Hatreto dia mbola tsy niteny namoaka ny heviny ny zandary fa mbola ao anatin’ny fanadiadiana tanteraka tamin’ilay resaka fanafihana, sy ny fifandraisan’ity lahilehy maty ity amin’ilay asan-jiolahy. Miankina amin’ny valin’izany ny zavatra ambaran’ireto zandary ireo. Miandry ny fiakaran’ny fitoriana eny anivon’ny fampanoavana izany ny raharaha izao mba hamantarana ny tena marina momba ity raharaha vono olona ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici