Jiolahy iray fantratra amin’ny anarana hoe » Benafy » no maty notapahan’ny fokonolona loha, tany amin’ny fokontany Ambinanikely, kaominina ambanivohitra Mangabe, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny asabotsy 09 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro. Araka ny fanazavana azo, dia mikasika fanafihana mitam-piaidiana miseho manao sesilany tany amin’ny faritra Ambatoboeny sy ny manodidina an’i Maevatanàna no antony nisamborana azy. Fantatra fa efa nokarohan’ny mpitandro ny filaminana mikasika izany asa ratsy nataony izany ny tenany. Raha ny fanazavana hatrany dia nisy olona nahatsikaritra ny fiakarany teny amin’ny manodidina ny tanànan’Ambinanikely, ka nahatonga ny fahatratrarana azy. Nandeha nanao fidinana ifotony tany amin’ilay toerana tokony hahitana an’ity lehilahy ity mantsy ny mpikambana ao amin’ny Voromahery dinam-pokonolona sy izay rehetra teo an-tanàna, ka tratra tokoa izy nony farany. Rehefa natao ihany koa ny fisavana dia nahitana moara marobe niaraka tamin’ny » lamba miloko mainty lavabe » tanaty sakaosiny. Ireo fitaovana ireo no volaza fa fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Taorian’ny fisavana azy dia nokasain’ireo olona hoentina any amin’ny biraon’ny Zandary ao Mangabe ny lehilahy. Teny an-dalam-pitondran’azy no tafatsoaka nandositra ny tenany, ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra avy dia tratran’ny fokonolona, saingy namaly totohondry ihany izy. Teo ihany koa no nahavoakapa antsy ny lohany. Tonga tany an-toerana ny Zandary avy ao amin’ny » Poste Avance » rehefa nahazo antso an-tariby, efa lohany sy ny vatany samy nanana ny toerana no tazan’izy ireo.
Ratantely