Nandriaka indray ny rà tetsy amin’iny lalam-baovao mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato iny omaly antoandro. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona any ho any no naratra mafy, rehefa voadonan’ny fiara teny an-toerana. Ity farany moa, tsy nijanona fa vao mainka nanamafy ny hafainganam-pandehany. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny zava-nisy dia hoe tena mafy dia mafy ny dona nahazo ity lehilahy ity. Nirimorimo mafy tokoa mantsy ilay fiara « sprinter », tsy azon’ireo nahita moa ny laharana. Somary nahazo sisin’arabe izy tamin’izany fotoana izany ka nahafaoka ilay lehilahy teo amin’ny sisin-dalana. Voadona mafy ary nikarapoka metatra lavidavitra avy teo amin’ny toerana nisian’ny loza aza ity tamin’izany. Nandriaka ny rà ary tsy nihetsika intsony. Ireo olona sendra nandalo sy nahita ny zava-nisy teny an-toerana no niezaka nisakana izay fiara nandalo, hitondra ity olona voadona ity tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ilay fiara nahavanon-doza koa tetsy andanin’izay, mbola nanohy ny diany hatrany, tsy nieritreritra hijanona akory teo anatrehan’ny fahavoazana nihatra tamin’ilay rangahy. Asa, heverina ho mety natahotra fitsaram-bahoaka angamba ny mpamily ka mety niezaka nanatona nihazo mpitandro filaminana, toy ny fanaon’ireo mpamilina fiara sasantsany. Enga anie ! Nambaran’ireo nanatri-maso hatrany aloha fa mbola nisy aina na somary atahorana aza tao amin’ilay lehilahy. Izy rahateo taorian’ny nitrangan’ny loza, efa tsy nahatsiaro tena intsony. Maromaro ihany izay, hoy ireo tsy mahay manisa, raha ny lozam-pifamovoizana, nandratrana olona, eny fa na namoizana ain’olona aza tamin’iny lalam-baovao Tsarasaotra mihazo an’Ivato iny. Ny antony, ny be indrindra, dia ny fandehanan’ireo fiarakodia na kodiaran-droa mafy loatra foana. Ny ankoatra izay, izay maromaro ihany no milaza, dia ny fisian’ny trangan-javatra tsy voajanahary ary tsy hain’ny saina vinavinaina. Saingy mbola resaka hafa ny amin’iny, fa amin’ny ankapobeny dia angamba ny tsy fitandremana no be indrindra, mety ho ireo mpamily na mety ho ireo mpandeha an-tongotra.
m.L