Miisa telo ireo tontakely voasambotry ny pôlisy tetsy Ankadifotsy tamin’iny faran’ny herinandro iny. Manodidina ny 15 taona eo avokoa ry zalahy ireto, hoy ny fampitam-baovao azo, ary tratra niaraka tamin’ny zava-maranitra. Anisan’ireo faritra feno elakelan-trano raha iny faritra Ankadifotsy sy ny manodidina iny. Elakelan-trano izay manampy betsaka ireo mponina amin’ny fivezivezena isan-karazany. Efa maro anefa no mahafantatra tsara fa raha vao mirotsaka monja ny haizina dia tsy azo atao intsony ny mindrana ireny lalan-kely ireny, noho ny fisian’ireo andiana mpanendaka, izay tsy tahotra sy henatra, hanindrona antsy sy hanao tambabe raha vao miseho mamaly azy ireo. Raha ny vaovao azo dia efa maro ireo fitarainana tonga teny anivon’ny pôlisy mahakasika izay tato ho ato. Nisy araka izany ny fisafoana na andro na alina amin’izany lalan-kely izany. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia zazalahy iray, hafahafa fihetsika irery anaty elakelan-trano no nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana misahana izany faritra izany. Rehefa nosavaina ity farany dia nahitàna antsy lava iray tany aminy. Azo heverina avy hatrany fa isan’ireo andian-tovolahy mampihorohoro ireo eny an-toerana izy. Tamin’ny fisamborana ity tovolahy no nilazàny fa « tsy izy irery no manao io asa ratsy io fa miaraka amin’ny tovolahy miisa roa namany izay natorony ny misy azy ireo ». Teti-dratsin’izy ireo ny hoe, ny iray no mody mihaza, ary tamy manao tambabe ny hafa rehefa avy eo. Nidinana ifotony ary nosamborina avy hatrany moa izy roa lahy namany ireto. « Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa izy ireo no isan’ny mpanendaka mamono sy mandratra olona eny amin’iny faritra iny », hoy hatrany ny vaovao. Nentina nihazo ny birao avy hatrany izy telolahy, nanaovana fanadihadiana. Marihana fa mitohy foana tsy tapaka ny fisafoana eny amin’iny faritra iny ataon’ny eo anivon’ny pôlisy kaomisarian’ny boriborintany fahatelo. Manentana ny rehetra hatrany ireto mpitandro filaminana amin’ny fanomezam-baovao, hahafahan’ny rehetra mamongotra ireny olon-dratsy ireny.
m.L