Tratry ny velam-pandriky ny dahalo ny polisy avy any Amboasary Atsimo omaly, ka nahavoatifitra polisy roa, izay tena voa mafy tokoa. Araka ny fanazavana azo, nisy niantso tao amin’ny paositry ny polisy Amboasary Atsimo fa misy dahalo nanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Soavela, 7 kilometra miala an’AmboasaryAtsimo. Rehefa hiditra ny tanàna ny polisy manodidina ny sivy teo dia nisy roa lahy nitifitra avy hatrany vao nahatazana azy ireo. Voa teo amin’ny ambany fony ny iray tamin’ireo polisy, ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly Ambovombe Androy. Niverina izy ireo nikasa hanenjika ireo jiolahy nitifitra. Mbola tsy tonga tao an-tanàna akory dia nisy nanao tifitra variraraka indray, ka voa teo amin’ny kibony koa ny polisy iray, ary tafavoaka tao amin’ny lamosiny ny bala. Nitondra avy hatrany ilay naratra ireto polisy ambiny, ka tavela teo ny olon-dratsy. Mitohy ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana ireo dahalo nahavanon-doza. Hatramin’izao kosa, mbola tsy hay ny toe-pahasalaman’ireo polisy roa lahy voatifitra. mitohy ny fikarohana, ary niampy ny mpiatndro filaminana manao ny fanarahan-dia. Fomba fanaon’ny jiolahy ny manafika mpitandro filaminana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy any. Mihantsy mihitsy izy ireo, ary anisan’ny mahafaty mpitandro filaminana maro izany. Anisan’izany ireo zandary maty am-perinasa ireo. Vokatry ny fifandonana amin’ny dahalo hatrany, izay efa ady mafy hatramin’izay.
Yv Sam