Fiara roa avy any Vatomandry, handeha hiakatra aty an-drenivohitra no voasakana tetsy Mahazo ny voalohan’ny herinandro lasa teo. « Bidon » am-polony maro, feno toaka gasy anarivony litatra no sarona tamin’izany, rehefa noezahina nafenina.
Ny alatsinainy teo no saron’ny pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina ireto fiara ireto, rehefa nisy ny angom-baovao azon’izy ireo mahakasika ny fisian’ireto fiara feno toaka gasy ireto. Rehefa natambatra sy natontaly ny tao anatin’ireo bidon am-polony maro dia voalaza fa mahatratra teo amin’ny toaka 1180 litatra tany ho any no saika hampidirina an-tsokosoko eto an-drenivohitra. Olona efatra no voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ka ny iray tamin’izy ireo no tompon’ireto zava-pisotro mahamamo ireto, izay tsy nahazoana alalàna velively. Nogiazana avy hatrany moa ireo toaka ary nentina nanaovana fanadihadiana kosa ireo voasambotra.
Raha ny fantatra tokoa dia na dia eo aza ilay lalàna 03-2019, mamaritra ny famokarana sy fivarotana toaka gasy ary lany teny anivon’ny Antenimierampirenena, izay tokony manala ny fandraràna izany dia fantatra fa mbola mahavoasazy ny fitondrana itony toaka gasy itony, tsy nahazoana alalàna. Lamandy manodidina ny 10,000 ariary isaky ny litatra, miampy fampiakarana izany eny anivon’ny fitsarana moa tokony ho efain’ireo izay tratra.
Fa ankoatr’azy efa-dahy ireto dia vehivavy iray ihany no nosamborin’ny pôlisin’ny Stup, teny amin’iny faritra Ambohijanaka sy Anosizato Atsimo iny, noho ny fivarotana toaka gasy sy rongony, ny talata lasa teo. « Raha ny fantatra dia efa hatramin’ny taona lasa no nanaovan’ireo vehivavy ireo izao varotra toaka gasy sy rongony izay ao an-tranony eny Ambohijanaka sy Anosizato » hoy ny vaovao. Ho an’ilay tetsy Ambohijanaka dia rongony teo amin’ny sivy fonosana teo, niaraka tamin’ny toaka gasy 20 litatra no sarona, raha rongony dimy fonosana lehibe kosa no tratra ho an’ilay vehivavy tetsy Anosizato. « Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky ny helony izy » hoy hatrany ny vaovao. Omaly moa izy ireo natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L