Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahefatra iny ny sabotsy 16 janoary teo. Fiara iray, nitondra mpiantsena nifatratra tamin’ny spriner iray nitondra mpilalao baolina kitra. Vokany : maty tsy tra-drano ny mpamily iray nitondra mpiantsena. Namoy ny ainy ihany koa ny ankizy mpilalao baolina ao amin’ny ekipan’ny « Ascuf». Olona roapolo no volaza fa naratra. Tapa-tongotra sy tanana havia kosa ny mpamily iray hafa. Avy any Tsinjorano nikasa hanatitra mpiantsena aty Maevatanàna ity fiara spriner miloko ( Mavo, maintso, mena) ity no vaky kodiarana aloha, ka teo no nisian’ny fifandonana tamin’ilay fiara spriner miloko fotsy avy eto Maevatanàna hitondra mpilalao baolina kitra hanao lalao ara-piralahina any Antanimbary. Teo atsimon’ny tanànan’Andranobevava eny amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany folakandro tany ho any raha ny vaovao hatrany. Ankoatran’ny mpamily maty teo no ho eo dia novonjena sy nomena fitsaboina tao amin’ny hôpitaly be Morafenokely ireo olona naratra, nisy ankizy mpilalao baolina iray voatery nampiakarina haingana tany an-drenivohitra. Indrisy anefa fa maty teny an-dalam-pitondrana azy teny akaikin’i Manerinerina atsimo. Mpanazatra iray kosa noentina niakatra any Antananarivo tamin’ny alahady alina teo noho ny mbola fisian’ny vakim-pitaratra tavela tao anatin’ny lohany. Ny Zandary ao amin’ny Brigady misahana ny lalam-pirenena ( BPR) eto Maevatanàna izay nanao ny fizahana ny zava-nisy no misahana ny raharaha ankehitriny.
Ratantely