Nitatatata tao anaty ala tao ny feom-basy, nandriaka ny rà. Aina telo be izao no nafoy, olona efatra no naratra mafy. Izay no vokatry ny fifandonana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona tao Mandanivatsy Ambatondrazaka. Resaka fanimbàna ala arovana no fototry ny olana, araka ny fampitam-baovao azo, ka izao niafara tamin’ny rà mandriaka izao, ao anatin’iny tandavanalan’Angavo, manasaraka ny distrikan’Anjozorobe sy Ambatondrazaka iny, tao amin’ny fokontany Mandanivatsy. Raha ny filazan’ireo mponina, araka ny vaovao azo hatrany, dia toa hoe nisy fisamborana tsy ara-drariny nataona mpitandro filaminana tany an-toerana ny alarobia teo, izay tsy neken’izy ireo velively. Fisamborana izay voalaza hatrany fa noho ny fanomezam-baovao tsy marina avy tamin’ny olona iray, ao anatin’ny vondron’olona, izay natao hitantana ity ala ity. Raha ny angom-baovao hatrany mantsy dia toa hoe « ity olona ity mihitsy no tena mpanimba ala sy mampaniraka olona hitevy ao anatin’ny faritra io ala arovana io. Ny mahagaga anefa dia any amin’ny olon-kafa indray iretsy tompon’andraikitra misahana ny fiarovana ny ala sy ny mpitandro filaminana no mamatratra sy avy hatrany dia nisambotra azy ireo ». Izay zavatra izay, raha ny vaovao hatrany, no tsy neken’ireo fokonolona ka antony nampitraotra azy ireo. Marihana fa nisy zandary iray maty tao anatin’izay ary olona roa avy tamin’ireo fokonolona. Nisy maromaro kosa no naratra. Tetsy andanin’izay anefa, nanazava kosa ny teo anivon’ny zandarimaria fa « fangataham-piaraha-miasa avy amin’ny Fitaleanam-paritra miadidy ny tontolo iainana tany an-toerana no antony nandehan’izy ireo tao anatin’ilay ala, hitsirika ifotony ny fanimbana izany ala arovana izany, niaraka tamin’ireo « agents forestiers » tany an-toerana. Tao anatin’izany no nisy fisamborana olona roa, izay voarohirohy ho mpanimba ala ary nentina natao fanadihadiana ». Nanakana ny dian’izy ireo anefa ny andian’olona maromaro nitam-piadiana, nitaky ny hamotsorana ireto voasambotra. « Mba tsy hitaran’ny zava-nisy izay mety hiafara tamin’ny rà mandriaka anefa dia navotsotr’izy ireo teo no ho eo ihany ireo roa lahy, saingy alefa ihany ny famotorana ». Tao anatin’izay anefa no nisy iray tamin’ireo andian’olona nikapa ny lohan’ny zandary iray tamin’ny zava-maranitra. Maty tsy tra-drano teo ity farany. Raikitra teo ny sakoroka, voatery niaro tena mantsy ny naman’ity farany, niaraka tamin’ireo « agents forestiers » ka nanao tifi-danitra sy namonjy nitsoaka. « Tsy resy tosika ireo olona ka voatery nifititra ary nahafaty olona iray ilay zandary sy ireo namany. Nanenjika avy ato aoriana ireo fokonolona nony avy eo. Mbola niezaka namaly tifitra anefa ilay zandary ary nahavoa roa tamin’ireo mpanenjika. Ny iray maty tsy tra-drano ary ny iray naratra. Tsy ela anefa dia azo babo ihany izy ireo». Efa kely ihany koa sisa no nanaraka ny ain’ireto mpitandro filaminana saingy mbola nisy iray tamin’ireo andian’olona no nanakana izany. Ny olom-boafidy tany an-toerana ihany koa niezaka nandamina ireo mponina ary nangataka ny hamotsorana ireto farany. Nalaina moa ireo basy azon’ireo fokonolona ary nentina nody ihany koa ny razan’ilay zandary maty. Milaza ny tsy hilefitra manoloana izao famonoana ankitsirano izao ny eo anivon’ny zandamariam-pirenena. « Efa misokatra ny famotorana sy fikarohana ireo nahavanon-doza sy nitarika ny fikomiana. Efa fantatra daholo ireo atidoha nikotrika izao fikomiana izao, indrindra ireo zazamena tompon’antoka tamin’ny nahafaty ilay zandary », hoy izy ireo. Heverina ihany koa fa hiara-dalana amin’izany ny fanadihadiana mahakasika ilay tena fototry ny fifandirana tamin’io fotoana io.
m.L