- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnalakely, Isotry : Mpanendaka enin-dahy noraofin’ny pôlisy

Analakely, Isotry : Mpanendaka enin-dahy noraofin’ny pôlisy

Analakely, Tetezan’i Bekiraro, Ambodin’Isotry … Mitohy hatrany ny hetsika ady amin’ny mpanendaka ataon’ireo pôlisy eo anivon’ny kaomisaria isanisany eto an-drenivohitra. Nisy fito indray no voasambotra tamin’iny faran’ny herinandro iny fotsiny. Teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina iny, dia voasambotry ny avy ao amin’ny CSP1 indray ilay mpanendaka rain-dahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Mahagaga, 23 taona. Efa tsy zoviana amin’ny biraon’ny pôlisy sy ny fonja intsony ranamana, saingy miditra dia mivoaka indray, ary manohy ny asa ratsiny hatrany ary izao voasambotra izao indray. Totakely efatra kosa no tra-tehaky ny pôlisy avy ao amin’ny CSP4 tetsy amin’ny manodidina ny tetezan’i Bekiraro, Isotry iny, raha teo am-panaovana ny asa ratsiny. Ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily no nahapaingotra an-dry zalahy ireto, rehefa ela nanaovana fangalam-piery ka tsy afa-nitsoaka intsony. Mbola teny amin’iny faritra iny hatrany, manodidina ny Epp Ambodin’Isotry iny dia tovolahy iray vao 16 taona monja no tsikaritr’ireo pôlisy miasa eny an-toerana nanaraka olona avy niantsena. Nosamborina avy hatrany ny anao lahy raha iny teo am-pisintomana ny pôketran’io olona io. Nentina nihazo ny birao mba hatao fanadihadiana, ary noho izy tsy ampy taona, hoy ny vaovao, dia natolotra ny Sampandraharahan’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona, hanohy ny famotorana.

Fa ankoatra izay ady amin’ireo totakely ireo izay dia mifanindran-dalana amin’izany ny ady amin’ny zavamahadomelina. Roa lahy tratra nivarotra sy nifoka rongony tetsy Manankambahiny no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny CSP2. Efa natolotra eny anivon’ny Fampanoavana izy ireo ka ny iray nadoboka am-ponja vonjimaika, raha nahazo fahafahana kosa ny iray.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici