- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilFaits-DiversKere any Atsimo : Mandray anjara mavitrika amin’ny ady ny Tafika Malagasy

Kere any Atsimo : Mandray anjara mavitrika amin’ny ady ny Tafika Malagasy

Ny herinandro lasa, tao aorian’ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana ny amin’ny ady atao amin’ny Kere, dia tonga soamantsara any Atsimo ny « Caravane du Sud » na ny tandavam-piarakodia nitondra ireo fanampiana ho an’ny vahoaka tratran’ny tsy fanjarian- tsakafo any Atsimo. Natolotra teo anivon’ny CCO-K izany ka izy ireo no nandray an-tanana mivantana ireo fanampiana. Tahaka ny efa nataony teo aloha dia nidina ifotony indray ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, nirotsaka sy nanara-maso akaiky ny fizotry ny asa eny an-toerana. Nisy ihany koa ny dinik’asa notanterahana teo anivon’ny CCO-K Amboasary sy Ambovombe izay notarihan’Andriamatoa Minisitra, niaraka tamin-dRamatoa Rakotovelomanantsoa Voahary, Minisitry ny Rano, ny Fidiovana, ary ny Fanadioavana, ny Governoram-paritra sy ireo lehiben’ny ny sampan-draharaha mba hahafahana mandamina sy mandrindra am-pilaminana ny fizarana miankina amin’ny fanisana izay efa natao. Tao aorinan’izany dia niasa teny an-kianja ireo tompon’andraiki-panjakana nitondra ireo fanampiana niaraka tamin’ireo miaramilan’BMM3. Fitaovana maro samihafa avy ao amin’ny tafika no nampiasaina tamin’izany, toy ireo fiarakodia tsy mataho-dalana sy ireo angimdimby ho an’ireo toerana lavitra. Ny tao amin’ny faritra Anosy dia toerana maro ankehitriny no efa nisitraka izany raha tsy hitanisa afa-tsy ny fokontany Andavabaza, Anjomagnara ao amin’ny Kaominina Behara,sy ny fokontany Bekiria Kaominina Ifotaka. Vary, voamaina, menaka ary koba no nozairaina ho azy ireo. Tokantrano maherin’ny 1400 no nisitraka izany. Ho an’ny faritra Androy kosa dia tao amin’ny distrikan’Ambovombe ny fizarana, ka ny fokontany Anjeke Tsimanagnada Kaominina Erada no nanombohana ny fizarana. Niaraka tamin’ireo fanampiana izay nentina dia nisy ihany koa ny fizarana rano fisotro madio sy fitsaboana maimain-poana izay nataon’ireo dokotera miaramila eo anivon’ny BMM3. Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Minisitra, dia tsy nijanona niasa ireo miaramilan’ny BMM3 fa mbola nanohy hatrany ny fizarana fanampiana ho an’ny Fokontany Fandiova, Analoalo ary Maromena. Eo ihany koa fanisana ny mponina ho an’ny faritra izay mbola tsy vita mba hanantanterahana hatrany ny paik’ady izay efa napetraka entina iadiana amin’izany tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy.

Nangonin’i T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici