Omaly antoandro raha mba niezaka ny naka parking tsara ny mpamily ka loza no naterak’izany tetsy amin’ny toerana iray tetsy Nanisàna. Efa nijanona ny fiara kanefa tsy dia afa-po tamin’ny toerany ny mpamily rehefa nivoaka tao anatiny. Nahetsiny kely tamin’ny tosika maivana ny fiara kinanjo nahazo fidinana ary nizotra tany anaty hantsana. Taitra tamin’izany ny mpamily ary niezaka ny niditra tao anaty fiara mba hanitsaka ny hisatra. Indrisy anefa fa nitera-doza ho azy izany satria voarirotra tao koa ny vatany. Raha ny fanazavan’izay nilaza ho nahita dia ahiana ho tapaka ny taolan-tratrany sy ny feny. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana izy. Ilay fiara kosa indray dia mba voatazon’ny fakan-kazo ary nijanona teo am-povoan’ilay hantsana.
D.R