Arakan ny toro-marika efa nampitain’ny filohan’ny repoblika ho an’ireo mpian-tsehatra eny anivon’ny rafi-panjakana isan-tokony dia ho taonan’ny asa ity taona ity. Araka izany dia nambaran’ny filoha lefitry ny antemieran-doholona misahana ireo vondrom-paritany Atsimo, Nicolas Rabemananjara, fa dia tsy hikely soroka ny tenany mba hanome tanana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eo amin’ny farim-piadidiany. Nilaza ihany koa izy fa dia hiara-hiasa akaiky amin’ireo loholona eny anivon’ny faritany sahaniny mba hitondra vahaolana amin’ireo olana misy eny ifotony sy ny laharam-pahamehan’ny vahoaka. Ary tsy hanidy varavarana ihany ko izy, araka ny nambarany hatrany, amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo olom-boafidy hafa eny anivon’ny distrika rehetra mba hisitraka ny fampandrosoana.
Hisy ihany koa ny fidinana ifotony eny anivon’ny faritra isanisany mandritra ny fotoam-piasany ny loholona Nicolas Rabemananjara, araka ny voalazany hatrany. Izany fitsidihana izany, hoy izy, no fomba ahafahana mamantatra ny tena zava-misy marina eny ifotony eny, ka hitondràna vahaolona. Ny distrikan’Ivohibe no nataony ohatra araka izany, izay nahitany lesoka marobe mahakasika ny fampandrosoana, hoy izy. Toy ny tsy fisian’ny biraon’ny kaominina, ny tsy fisian’ny “internet”. “Tsy fantatra izany zava-misy izany raha tsy nisy ny fitsidihana ifotony nandritra ny fampielezan-kevitra” hoy i Nicolas Rabemananjara. Ity farany moa dia efa nanome toky ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana fa tsy maintsy hitety azy ireo mba hanakaiky ireo vahoaka.
Izany asa miandry ireo loholona izany, araka ny nambaran’ny filoha lefitrin’ny antenimieran-doholona Nicolas Rabemananjara, no mahatonga azy ireo haniry ny hanana mpiara-miasa maro. Tahaka ny faritan’ny Fianarantsoa, izay nahavoafidy azy, araka ny nambarany hatrany, dia hametrahana mpiara-miasa avokoa ireo distrika 25. Ny fisian’ireo mpiara-miasa ireo eny ifotony eny, hoy hatrany ity farany, no antoka ahafahana manamora ny fifandraisana amin’ny olom-boafidy sy ny vahoaka ifotony.
Tonga nitsidika ny filoha lefitry ny Antenimieran-doholona, Nicolas Rabemananjara, moa, omaly maraina, tao amin’ny birao fiasàny teo Anosy, ny governoran’ny faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka. Voaresaka nandritra io fihaonana io ny endriky ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny asa fampandrosoana. Niompana betsaka tamin’ny fanatanterahana ireo vina sy veliranon’ny filohan’ny Repoblika eo anivon’ny faritra Analamanga moa ny ady hevitra.
Nicolas Rabemananjara dia nanamarika ny fahavononany hanome tànana ny faritra eo amin’izany asa fampandrosoana izany, ary hitondra ny tenin’izy ireo eo anivon’ny Antenimieran-doholona mba hanatsarana ny rijan-tenin-dalàna mahakasika azy ireny. Ny governoran’ny faritra Analamanga kosa dia nanambara ireo laharam-pahamehan’ny faritra ankehitriny dia ny lafin’ny foton-drafitr’asa toy ny fanamboaran-dàlana, ny fananganana sekoly ary ny fanatsarana ny sosialin’ny mponina.
Tontosa omaly maraina tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona, Anosy, ny lanonana fametrahana ny samboady ho an’ireo loholon’i Madagasikara vaovao. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra izany lanonana izany moa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, sy ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta, toy ny ministry ny Fambolena, sy Fiompiana ary ny Jono, ny ministry ny Filaminam-bahoaka.
R-R.