Vao maraina ny alakamisy teo dia vory maro teo amin’ny fitsarana ireo mpiara-miasa sy ny fianakavian’Itompokolahy Massou Erneste izay 52 taona tantsambo eo anivon’ny orinasa MSC, ilay lehilahy notofirin’ny zandary tao Brickaville raha nosoketain’ity olona vaky trano fa namaky ny tranony. Nilanja sora-baventy izy ireo nanonmboka tamin’ny 7ora sy 45 minitra nandritra izany nilaza ny fitakiany amin’ny fitsarana momba ity fahafatesan’ny havany ity. Nanazava ireto olona nitangorona teo amin’ny fitsarana ireto fa fiarahana tamin’ny fianakavian’ny naman’izy ireo niharam-boina, ary koa te-ahita izany “Marley” nibaiko ny zandary nitifitra ity tantsambo nandeha nihotra tao Brickaville nosoketaina ho mpamaky trano ity. Vokatra ity hetsika ity sy ny mbola fandinihan’ny fampanoavana ny raharaha vao tonga eo aminy, amin’ny maha-ady sarotra ny raharaha, tokony tamin’ny 10ora sy 45 minitra dia nilatsaka ny tenin’ny tonia mpampanoa lalana ny alakamisy teo fa “tsy vita androany (ndlr: ny alakamisy) ny fandinihana ity raharaha ity noho ny antony maro, voalohany ilàna fahamailoana ny raharaha satria manahy ny hidiran’ny mpanao politika ny fitangoronana ataon’ny mpanotrona, ireo mpanohitra rahateo efa mivorivory etsy sy eroa mikasa hanao hetsika. Faharoa dia noho ny fanomanana eo amin’ny raharaham-pitsarana sy ny mpitsara izay handray minisitra ny zoma amin’ny fametrahana ny filoha voalohany eo anivon’ny fitsarana ambony”. Noho ireo antony ireo dia hahemotra ny alatsinainy 01 febroary izao ny fiakaran’ny raharaha eny amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Raha ny fanazavana hatrany dia isany hatolotra fitsarana amin’ity raharaha ity koa izay nahatonga ny famonoana olona tsy nahy nataon’ny zandary ingahy Marley voalaza fa nisy namaky trano ny 07 janoary lasa teo.
Malala Didier