- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Tsy fanendrena governora, mibaribary ny tsy firaharahana ny mpitondra

Betsiboka : Tsy fanendrena governora, mibaribary ny tsy firaharahana ny mpitondra

Roa taona sy iray volana katroka no tsy nanendrena ny goveronoram-paritra aty Betsiboka. Raha jerena tokoa mantsy dia efa voatendry ny goveronoram-paritra, teto amin’ny tany sy ny firenena, saingy Betsiboka izay malaza amin’ny resaka volamena ihany no mbola voasivana. Noho ny fitavozavozanan’ny mpitondra, dia lasa entin’ireo vondron’olona sy fikambana, ary mpanao politika hanaovana tsindry an-kolaka ny fitondrana ny fahabangan-toerana aty amin’ny faritra volaza etsy aloha. Hatramin’ny nilazana tany am-boalohany fa hosoloina goveronora ny lehiben’ny faritra teo aloha, dia mihazakazaka ireo manao kajy politika sy misisika mafy, mba hampidirana ireo olona tohanan’izy ireo. Raha mbola tsy tonga amin’ny fotoana nanendrena goveronora izany ny eo anivon’ny filankevitry ny minisitra, dia mirarakompana sy tsy mitsahatra ny fanambarana ataon’izy ireo, na anaty  » Facebook. » Toa zary lasa mampahazo vahana ny ady toerana sy seza ny fihetsika toy izao. Io toe-javatra io no mbola mitohy amin’izao fotoana izao, ho an’ny faritra Betsiboka tsy manana goveronora. Raha jerena amin’ny fanataterahana ireo tetikasa isan-tsokajiny dia lasa miteraka fitanilana eo amin’ny sehatra fampandrosoana ny fahabangan-toeran’ny goveronora, satria misy ireo faritra efa manana izany no lasa lavitra amin’ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa isan-tsokajiny. Efa eo rahateo ny vola 2 miliara ariary nomen’ny fitondram-panjakana hanaovan’izy ireo izany. Hatao fifaninana eo amin’ny samy goveronora sy ny faritra tantanany amin’izao ny fahavitana fotodrafitrasa, toy ny lalana rarivato any amin’ireo kaominina. Mahatsiaro ho lasa zanak’ikalahafa araka izany ny mponina aty amin’ny faritra Betsiboka.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici