Na mpivarotra enta-madinika io na mpivarotra zava-pisotro, eny fa na hatramin’ireo fiara fitateram-bahoaka dia saika voan’ity mpitandro filaminana sandoka ity avokoa, tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao. Voalaza fa vola manodidina ny 2000 ka hatramin’ny 5000 ariary no takiany amin’ireto olona ireto. Sarotra ho an’ireo sarambabem-bahoaka tokoa ny hamantatra ireo mpitandro filaminana tena izy sy ny sandoka amin’izao, indrindra efa azon’ireo olon-dratsy ilay « fomba » ratsin’ny sasantsany amin’izy ireo, amin’ity resaka « otra » sy fanaovana kolikoly ity. Toy izay miseho ao an-tampon-tanànan’Antsirabe sy ny manodidina ao, ary heverina fa efa misy dia misy ihany koa eto an-drenivohitra. Nambaran’ny fampitam-baovao mantsy fa misy lehilahy manao fanamiana sivily, na manao « gilet » indraindray, mitovy tsanganana sy manao hetim-bolo miaramila no mandeha mitety mpivarotra ary mitaky vola an-kolaka amin’ireo hita fa tsy manara-dalàna : mpivarotra enta-madinika sy zava-pisotro tsy manana taratasy, mpivarotra toaka gasy sy ny maro hafa. Ankoatr’izay dia manenjika ireo fiara fitanteram-bahoaka amin’ny « scooter » ihany koa ingahirainy ary tsy menatra ny mampijanona sy maka ny taratasin’ireo fiara, izay manao taingim-be sy ny tsy manara-dalàna. « Mody entiny mihitsy ilay mpanampy mpamily, mody apetrany akaiky biraon’ny polisy ary lasa miverina mamonjy ilay mpamily izy milaza fa mila mandoa vola toy izao dia havotsotra ilay mpanampy voatana ». Marihana fa milaza ny tenany na ho zandary na ho polisy izy amin’izany, ary mampiseho « carte professionnelle », izay tsy marina mihitsy anefa. Mazava ho azy, rehefa mahita sy matahotra ny ho voasazy ireo olona tafalatsaka anaty ny fandrikany dia mandoa vola aminy. Mbola eo an-dalam-pikarohana izany olona izany ireo mpitandro filaminana ao any an-toerana ka miantso ireo izay manam-baovao mahakasika azy, hampilaza haingana azy ireo. Mampatsiahy foana koa izy ireo fa « aleo atsahatra ilay fahazarana manao kolikoly fa mizara vola ho an’ny sasany » fotsiny no sady mety hiharan’ny sazy, na ilay mpanolotra na ilay tolorana. Ary mazava ny tenin’ireo tomponandraikitry ny filaminana, « tsy misy zandary na polisy manao fisavana mandeha tokana, ary tsy maintsy manao fanamiana avokoa, manana taratasy fanamarinana ny iraka » izy ireny.
m.L