Ny talata maraina teo no nanazavan’ny FID na “Tahiry ho an’ny Fampandrosoana” teto Toamasina, tao amin’ny lapan’ny Tanàna, ny hetsika ara-tsosialy entiny hanampiana ireo vahoaka marefo vokatry ny valanaretina Covid-19 farany teo. Mizara roa ny fanampiana hatao dia ny “Ankohonana Miarina” sy ny “Asa Avotra”. Ho an’i Toamasina renivohitra sy ny Toamasina Suburbaine no hahazo ity fanampiana ara-tsosialy entin’ny tetikasa ity.
Raha ny fanazavan’ny tale provinsialin’ny FID Toamasina dia ireo vahoaka nahazo ilay hetsika “tosika fameno” farany teo no hakana ireo olona hahazo izany, saingy hisy ny fanadiadiana lalina atao azy ireo. Hitsidihana ny tokantranon’izy ireo miaraka ny FID sy ny solon-tena ny fokontany ary tale rezionalin’ny mponina. Tsy ny “komity loharano” no misahana izany isam-pokontany fa ilay komity vaovao antsoina hoe “komity mpiara-belona” izany indray no miasa miaraka amin’ny FID. Ho vinaniana hahatratra 20.700 eo no hisitraka ny fandahanasa “Ankohonana Miarina” mandritra ny fanadiadiana, satria efa saika niverina amin’ny asany sy nahita asa avokoa ny ankamaroan’ny olona nahazo ilay “tosika fameno”. Ity tetikasa ity dia entina hanampiana ireo ankohonana manan-janaka mianatra; ka hamatsiana vola azy ireo hanamora ny fampianarana ny zanany. 05 volana eo raha ny fanazavana ny fanampiana izay hanomboka ny volana martsa ho avy izao aorian’ny fanadiadiana atao.
Ankoatra izay, misy ny tetikasa “Asa Avotra” izay handraisana anjaran’ireo olona tsy tafiditra amin’ilay “Ankohonana Miarina”; saingy an-tsintram-po ny fisoratana anarana hanao izany araka ny fanazavan’ny tale pronvinsialin’ny FID Toamasina hatrany. Asa tana-maro mantsy no atao mandritra izany amin’ireo asam-pokonolona hataon’ny FID, ka andraisana vola 5.000 ariary isan’andro ao anatin’ny 20 androny asa tapak’andro. Heverina ho olona 8.600 eo no handray anjara amin’izany asa izany raha ny voalazan’ny FID mamatsy ny vola hatrany.
Malala Didier