- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversFiparitahana fitaovam-piadiana : Nahitàna « grenady » tetsy Ampandrana

Fiparitahana fitaovam-piadiana : Nahitàna « grenady » tetsy Ampandrana

Tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka fahefany tany ho any no nahazo antso ny teo anivon’ny pôlisim-pirenana mahakasika ny fisian’ny fitaovam-piadiana mahery vaika hita tetsy Ampandrana, tsy lavitra ny biraon’ny masoivoho iray teny an-toerana.

Bolongam-by miendrika toy ny grenady no hitan’ireo fokonolona avy eo anivon’ny fokontanin’Ampandrana, omaly. Raha ny voalaza, teo am-panesorana sy fanadiovana ireo toerana, ivangongon’ireo olona tsy manan-kialofana, tsy lavitra ny toeram-piantsonana iray no nahitan’ireo avy eo anivon’ny vaomieran’ny fandriampahelamana izany. Nanakaiky indrindra ny toerana fanariana fako, eny amin’iny faritra Ampandrana iny. Nentin’ireo nahita avy hatrany moa izany zavatra izany ary naterin’izy ireo tany amin’ny trano fiasàna, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Taorian’izay no niantso ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo izy ireo mahakasika ity tranga ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany, nampian’ny teo anivon’ny pôlisy siantifika, mba hijery akaiky ny zava-nisy. Voamarina teo fa tena fitaovam-piadiana ary tena « grenady » ity hitan’izy ireo ity, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy hatrany. Nogiazana avy hatrany moa izany fitaovam-piadiana izany. Ny tsy fantatra fotsiny ihany, hoy ny teo anivon’ny pôlisy raha nanontaniana, dia ny hoe efa avy nampiasaina ve izy io sa mbola? Ary raha sanatria ka nipoaka tampoka teo, tsy ho zava-doza no nitranga teny an-toerana, indrindra fa ny nahazo ireo olona nitondra izany fitaovam-piadiana izany, ho an’izay nitondra sy namindra izany ? Mafampana rahateo ny toe-draharaha politika eto amintsika amin’izao ka ahian’ny maro fa sao dia hisy hifandraisany amin’izay na tetika entina hanakorontana indray izao  fanaparitahana fitaovam-piadiana izao. Asa aloha ? Heverina fa tsy maintsy hizotra any amin’izay tsinona ny fanadihadiana hataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany, indrindra fa ny hoe avy aiza ary iza no nametraka izany grenady izany teny an-toerana ? Andrasana araka izany izay mety ho valin’izay …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici