Nandritra ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena teto Toamasina ny 29 janoary teo no nahalalana fa hamboarina ilay kianja mitafo vaovao eto Toamasina ka eo amin’ny toerana misy ny kianja monisipalin’i Toamasina ankehitriny io no hokasaina hanamboarana izany kianja mitafo izany. Efa nolanian’ny mpanolotsaina teto Toamasina taorian’ny fivoriana ara-potoana faharoa, tapitra ny 08 janoary 2020, anefa ny tsy fanekena ny fandravana ity kianja filalaovam-baolina monisipaly ity, amin’ny maha-kianja fanaovan’ny rehetra fanazaran-tena azy, indrindra fa ireo mpianatra. Raha iverenana ity fivoriana ara-potoana nanaovana ny safidy nyfandavana ny fandravana ny kianja monisipalin’i Toamasina ity, dia mpanolotsaina 11 tamin’ireo 19 no nandany izany tsy fanekana ny tetikasan’ny filoham-pirenena hanangana kianja mitafo vaovao izao. Ny 08 kosa no nanaiky izany. Vokatr’ izany, ny zoma 28 janoary teo dia niezaka tamin’izay fantany fa mety ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, nandresy lahatra ireo mpanolotsaina azo ahodina handany ity fandravana kianja monisipaly ity. Raha ny angom-baovao aza dia tonga hatramin’ny fanambazana vola ireo mpanolotsaina mihitsy ny raharaha, mba handany ny fanapahana monisipaly amin’ny fandravana ilay kianja monisipalin’i Toamasina. Ao anatin’izany dia milaza ny hitory ireo mpanolotsaina monisipaly eny amin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana ny prefen’i Toamasina noho ity fanapahana-kevitra nataon’izy ireo ity, ary aorian’izay dia hampiantso fivoriana tsy ara-potoana, ka lahadinika amin’izany ny momba ity fandravana ny kianja monisipaly ity. Mazava anefa ny an’ireo mpanolotsaina fa tsy azo ekena mihitsy ny fandravana ity kianja ity, satria efa tsy manana kianja fanaovana fanazaran-tena intsony ny mpitia izany eto Toamasina. Raha izay no tanteraka dia holanian’izy ireo mora foana izany. Ankoatra izany anefa dia misy ireo mpanolotsaina monisipaly miandry ilay vola be nolazaina ho sandan’ny fandaniain’izy ireo ny fanapahana fandravana ity kianja ity.
Malala Didier