Nanomboka 28 jolay teo no tsy hita popoka Rasoanandrasana Suzette, mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana eo anivon’ny lyceé Rabemananjara. Raha araka ny vaovao nampitaina taminay dia 24 taona izy ary tsy manana olana, na eo amin’ny ray aman-dreniny na teo amin’ny toeram-pianarana. Tsy dia mitombina araka izany ny fiheverena fa nitsoaka izy, sady efa tsy adolatsento intsony koa ny taonany. Salama saina tsara rahateo i Suzette ary olona tsy dia mametraka olana amin’ny fiaraha-monina. Mandeha ny fikarohana azy ankehitriny.
Barikadimy: raikitra koa ny fitokonana. Mitokona ny mpianatry ny Degs ary nofantsihan’izy ireo ny biraon’ny Sojabe. Nomarihan’ireo mpianatra fa tsy
hivoha intsony io birao io raha tsy misy ny mangarahara momba ny lisitry ny mpianatra nivoaka tamin’ny voka-panadinana. Manahy kolikoly izy ireo ary mangataka ny hanaovana fampitahàna naoty. Mitombo iray indray koa izany ny fitokonana eto amin’ny nosy. Arahina izay mety ho fivoaran’ny raharaha…
Nangonin’i D.R