Olona telo naiditra am-ponja vonjimaika. Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny Zandary ireo olona telolahy, mikasika ny raharaha nahavoarohirohy sy nitazonana azy ireo teny amin’ny borigadin’ny Zandary eto Maevatanàna nandritra ny herinandro dia niakatra fampanoavana tamin’ny Atalata hariva lasa teo ny raharaha. Vita ny famotorana nataon’ny tonia mpapanoalalana ka nisy ny fanapahan-kevitra taorian’izay ny hampidirana am-ponja vonjimaika eny Ambodimadiro an’ireo olona telo miamby ny fotoam-pitsarana. Araka ny fantatra dia resaka firaisana tsikombakomba sy fandrobana mpandanja volamena tao anaty taksiborosy izay niseho tao amin’ny tetezan’i Belamandy tamin’ny heriny Atalata lasa teo, izay nahalasa ny volamena mitentina iray kilao nalain’ny dahalo nandritra ny fandrobana no nahavoarohirohy ireto olona ireto no raharaha nahavoasarigotra azy telolahy. Fanatatra fa ilay vehivavy mipetraka ao Antanimbary voaroba no nitory rehefa nisy fantany ny iray tamin’ireo dahalo, ka anisan’izany ny iray tamin’ireo voasambotra ireo. Tsiahivina fa Alarobia heriny teo no nasamborana azy telolahy ireo. Marihina fa mbola tsy azo ny dahalo ambiny tena nandray anjara tamin’ity fanafihana niseho ity, ary tsy hita na tafaverina kosa ny volamena voaroba hatreto, fa lasan’ireo jiolahy ambiny. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny Zandary azy ireo.
Ratantely