- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversManjakamiadana : Trano iray nihotsaka, vehivavy iray naratra mafy

Manjakamiadana : Trano iray nihotsaka, vehivavy iray naratra mafy

Nisehoana fihotsahana trano teny amin’ny fokontany Antsahondra Manjakamiadana, ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 5 ora teo. Voalazan’ny BNGRC, izay tonga nanao ny asa famonjena niaraka tamin’ny mpamonjy voina fa trano iray eo andalam-panavaozana tsy misy olona mipetraka no nianjera tamin’ny trano hazo iray izay ipetrahana olona 4 mianaka.

Vokatr’izany, ramatoa lehibe iray 40 taona monina ao amin’ilay trano hazo no voatsindrin’ny trano tao. Voalaza fa izy irery no tao an-toerana tamin’io fotoana io. Ny fokonolona teny an-toerana no nifanome tanana nahafahana nisikotra azy tao, izay nanao ny asa famonjena avy hatrany fa tsy niandry ny mpamonjy voina. Nentina teny amin’ny hôpitaly izy, ary efa nahazo fitsaboana sahaza azy, ka efa tafaverina soa aman-tsara any amin’ny fianakaviany. Raha ny fanazavana ihany, ny tratrany no tena voa mafy noho ny fianjeran’ny trano tany aminy. Ny entana rehetra dia nafindra tamin’ny fianakaviana akaiky.

Araka ny fanazavana ihany, anisan’ny fokontany tafiditra ao anatin’ny toerana tandindonin-doza ary nametrahana ireo saina mena fanairana ny fokontany Manjakamiadana, Antsahondra, Ankadinandriana, Ambaravarambato, Ambatomitsangana ary Andrefandrova. Miisa 6.800 ny isan’ny mponina ao aminy izay ahiana ho tra-doza, izay efa nanaovana fanentanana avokoa. Nisy ny hetsika nataon’ny BNGRC sy ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny fanetanana ireo mponina eny amin’ireo faritra ireo, saingy mbola maro ny tsy niala teny an-toerana. Anatin’ny orana mirotsaka isan’andro amin’izao fotoana izao, ka mitranga ny loza.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici