Nivaivay ny fifandonana teo amin’ireo zandary sy fokonolona ankilany ary andian-dahalo nirongo fiadiana, andaniny, ny talata lasa teo, tao Antsira, kaominina Belo-sur-mer. Vokany, lavo teo am-panantaterahana ny asany ny « gendarme hors classe » Rakotonirina Alain Patrick. Tetsy ankilan’izay kosa dia nisy olona tao amin’ireo fokonolona, lasan’ireo andia-malaso nataon’izy ireo takalon’aina niaraka tamin’ny basin’ilay zandary maty voatifitra.
Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nisy avy hatrany ny baiko nidina nomen’ny teo anivon’ny Fibaikona ny zandary ny hanaovana hazalambo ireo nahavanon-doza fa indrindra ny hanavotana ireo olona nalain’ny dahalo an-keriny. Zandary maromaro avy amin’ireo tobim-paritra manodidina, no nanao ny fanarahan-dia ireto andian’olon-dratsy ireto, ny tontolo andron’ny talata teo. Teny am-panenjehana dia nisy hatrany ny fifandonana lavareny, hoy ny fampitam-baovao azo, ary tao anatin’izany no avotra ilay lehilahy iray, isan’ireo teny am-pelatanan’ireo dahalo. Azo torak’izay ihany koa ny basin’ilay mahery ny fon’ny zandary nanao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Araka izany mbola misy vehivavy iray eny an-tanan’ireo dahalo. Tsy nijanona hatreo anefa fa mbola mandeha ny hazalambo any an-toerana ary nitohy hatramin’ny omaly. Heverina, hoy ny vaovao fa tsy hisy vokany tsy ho ela izany. Nahetsika mba hanampy hery sy tosika ireo mpitandro filaminana efa eny an-kianja moa ireo zandary avy ao anivon’ny Hery vonjy taitra rehetra manodidina, raha ny vaovao hatrany.
m.L