- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra fiara teto Toamasina : Hita faty tao Mandalà Ambohimahasoa ilay mpamily

Halatra fiara teto Toamasina : Hita faty tao Mandalà Ambohimahasoa ilay mpamily

Nitrangana halatra fiara teto Toamasina ny 25 janoary 2021, fiara “Mazda Gris”. Fiara nofaina haka faty tany Mahanoro, saingy niova lalana ireo mpanofa izany fa lasa haka vola 15.000.000 ariary tany Ihosy indray ny dia. Teo no natao ny famonoana ilay mpamily fiara Mazda Gris, ka araka ny nambaran’ireo namono dia nomen’izy ireo fanafody fampatoriana ilay mpamily, ka rehefa izany dia nodarohana ho faty ary natsipy tao amin’ny tanàna Mandalà Alakamisy Ambohimahasoa ny fatiny. Ny 04 febroary 2021 teo no nahazo vaovao ny zandary avy eo anivon’ny sampana misahana ny heloka be vava Toamasina, fa misy faty olona hitan’ny Zandary ao Alakamisy Ambohimahasoa tao Mandalà ity. Raha natao ny fanadihadiana tamin’ny finday hita teny aminy nanomboka ny 07 febroary 2021, dia nivaly izany ka teo no nanomboka avokoa ny fisamborana sy ny fikarohana ny marina momba ity raharaha halatra fiara Mazda ity. Nanomboka ny fisamborana ka tratra ireo isan’ny namono an’ity mpamily ity no halatra fiara natao; ka 05 mianadahy, 03 lahy 02 vavy, niaraka tamin’ny mpisikidin’izy ireo no tratra tamin’izany. Sarona ihany koa ireo “ody gasy” maro be fampiasan’izy ireo ho fiarovan-tena sy nanamora ny asa ratsin’izy ireo. Sarona nandritra izany koa ilay fiara Mazda tsy hita saingy niova loko sy laharana ilay izy ka lasa niloko Mena ilay Gris teo aloha. Ny tao anatiny koa nasiana fanamboarana mba hiova tanteraka ilay fiara Mazda halatra. Ankilan’izany dia mbola olona 02 hafa no karohana fa niaraka tamin’izao famonoana olona sy halatra fiara izao. Mandeha anefa ny vaovao izao fa nisy izany mpamily fiara mpanao zotra Toamasina – Fenerivo atsinanana nivarotra fiara talohan’izao halatra fiara izao, ary tafiditra amin’ireo olona karohina amin’ity raharaha halatra fiara sy vono olona ity. Voalazan’ny vaovao hatrany fa isan’ny mampalaza ity olona ity izany vono olona izany ary izany no tena nahazoany ireo fiara iasany manao fitateranam-bahoaka mianavatra eto Toamasina ity. Ankoatra izay dia nomarihan’ny zandary tamin’ny alalan’ny komandan’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina hatrany, fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezam-baovao mba hahatrarana ireo mpanao ratsy, ka mila fiaraha-miasa hatrany izy ireo amin’ireo roa mbola karohina satria tena fahavalom-pirenena amin’ny vono olona ny tsy fahitana azy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici