- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversKomandanin’ny CRGN Toamasina : Nanokafana fanadihadina ilay mpitandro filaminana namono mpianatra

Komandanin’ny CRGN Toamasina : Nanokafana fanadihadina ilay mpitandro filaminana namono mpianatra

Nampiantso mpanao gazety nanazavany ilay mpitandro filaminana nitifitra mpianatra ka nahafaty azy ny alakamisy teo, nandritra ny sakoroka nitranga, ny teo anivon’ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandary faritanin’i Toamasina lehiben’ny EMMO ny kolonely Rabemantsoa Josh. Nandritra izany no nilazany ny momba ny nahafaty ilay mpianatra antsoina hoe John Elie 23 taona ary taona faha-02 sampana toe-karena, isan’ny voatifitra nandritra ilay fitokonan’ny mpianatra; ka nambarany fa misokatra ny fanadiadiana mikasika izany eo anivon’ny EMMO. Tsy afaka hiaro ny mpitandro ny filaminana mahavita mamono Malagasy tahaka izany ny zandary, satria avy eo anivon’ny zandary ilay mpitandro ny filaminana voalaza niteraka ilay fitifirana. Nambaran’ny komandin’ny CRGN kolonely Rabemanantsoa Josh, tao anatin’ny antsoina hoe “légitime defense” ny anton’izany araka ny andininy ao anatin’ny lalana mifehy ny zandary amin’ny asany (andininy faha-77), sy ny lalana fandikan-keloka (andininy faha-327 sy faha-329) eto amintsika raha ny tatitra azo, saingy misokatra hatrany ny fanadiadiana mba tena hamantarana ny marina mikasika izany. Nomarihan’ny komandin’ny CRGN Toamasina hatrany fa maro ny zandary nandika lalàna no midoboka am-ponja teto amintsika nanomboka ny taona 2019. Amin’ireo zandary 126 nosamborina ny taona 2019 dia ny 84 no midoboka am-ponja; ny taona 2020 zandary nandika lalàna 86 dia ny 54 tamin’izany nampidirina am-ponja. Maro koa ireo zandary maty noho ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fiarovana ny andrimpanjakana eto amintsika; ka zandary 23 no maty ny taona 2019, 20 izany ny taona 2020, ary 03 sahady ny taona 2021. Ankilan’izany dia nambaran’ny EMMO hatrany fa nisy ireo mpitandro ny filaminana naratra, ka zandary 03 no voatora-bato tamin’ilay sakoroka teny Barikadimy. Ankoatra izany dia namoaka fanambarana nanameloka iny faty olona tao Barikadimy iny avokoa ireo fikambanana samy hafa, ka isan’izany ny vondrona mpanohitra avy amin’ny RMDM eto Toamasina, sy ny antoko politika HVM Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici