Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao atsinan’Ivohitra omaly Talata 5 Aogositra 2014, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Ramatoa iray manodidina ny 45 taona no maty voahitsaky ny kamiao.
Tao Bevoninkazao no niseho ny loza, voalazan’ny nanatri-maso fa, nisotrosotra tao amina toeram-pivarotana iray ilay ramatoa. Vao nivoaka ny varavarana izy dia tafintohina tampoka, nisy kamiao nandalo anefa tamin’io fotoana io ka tafatsofoka tao ambany fiara ilay ramatoa ary dia ny lohany no nandeha aloha. Fipoahana mafy be no nanaitra ilay mpamily, ka nampijanona azy ary naniraka ny mpanampy azy nijery izay fipoahana izay. Hatairana ny an’ity mpanampy mpamily ity nahita ny lohan’ilay ramatoa efa potiky ny kodiarana avy ao aoriana. Tsy nisy inona azo natao intsony fa dia niantso ny tompon’andraikitra sisa . Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny BMH nijery ny zavanisy. Marihana fa vita rarivato avokoa ny làlana amin’iny toerana iny ary isan’ny mameno ny lalana ny fisian’ireo mpivarotra amoron-dalana izay manelingelina ny mpampiasa làlana.
Andry N.