- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Jiolahy rain-dahiny, misandoka ho jirama, saron’ny mpitandro filaminana

Analamahitsy : Jiolahy rain-dahiny, misandoka ho jirama, saron’ny mpitandro filaminana

Nisesisesy tato ho ato izay ny fanahafihana mitam-piadiana. Lehilahy iray, antsoina hoe « Riri Jirama », no voasambotry ny zandarimariam-pirenena, ny zoma lasa teo. Araka ny fantatra dia isan’ireo jiolahy rain-dahiny, anatina fikamban-jiolahy ity lehilahy ity. Raha saika hanafika sinoa teny amin’ny faritra Analamahitsy iny. Saron’ny mpitandro filaminana aloha ny tetik’ireto olon-dratsy ireto tamin’izay, ka nahafahana nisambotra ny dimy lahy tamin’ireo jiolahy, niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana maromaro. Tafaporitsaka tamin’izany anefa ity lehiben-dry zareo ity, ka izao voasambotra izao. Misandoka ho mpiasan’ny Jirama no fomba fiadin’ity bandy ity amin’ny fanafihana ataony, ka izay no nahatonga ilay anarana. Fantatra araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana fa, saika fanafihana mitam-piadiana foana no misy an’ity rain-dahiny ity. Voalaza ihany koa fa isan’ireo nahiana ho tompon’antoka tamin’ireny fangalàna an-keriny karàna ireny ny lehilahy. Araka ny vaovao voaray dia niaiky ireo heloka vitany Riri Jirama. Eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana manjaka amin’izao fotoana, dia nanambara ny Kômandin’ny borigadin’Antananarivo Renivohitra fa hisy ny fampitomboana isa ireo zandary hiasa andro aman’alina eny amin’ireo faritra tena mahamay ka anisan’izany ny eny Atsimondrano iny. Nanamafy ihany koa izy ny hisian’ny fifanampiana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona amin’ny fanomezam-baovao.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser