- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMpianatry ny oniversite Barikadimy : Nilahatra nanao akanjo mainty nampiseho firaisan-kina  

Mpianatry ny oniversite Barikadimy : Nilahatra nanao akanjo mainty nampiseho firaisan-kina  

Notanterahan’ny mpianatra tao Barikadimy ilay filarahambe omaly izay niarahan’izy ireo, anarivony teo, niray hina tamin’ilay mpianatra maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana. Nihazo ny faritry ny Mangarano iny, ary nivoaka taty amin’ny faritry ny sampanan’ny « Relax » ny Diabe natao, ary tamin’iny lalana iny ihany koa no niverenan’izy ireo avy eo. Nambaran’ireto mpianatra fa ninian’izy ireo ny tsy niakatra an-tanan-dehibe noho ny fahamaroan’ny olona, mba tsy hisian’ny herisetra amin’ny mpitandro ny filaminana indray. Na izany aza dia hentitra ireto mpianatra ireto nanome fe-petoana 48 ora ny fanjakana hamahana haingana ny vatsim-pianarana sy ny « équipement »-ny mpianatra efa-bolana fa tsy iray volana voalaza. Nanomboka omaly ilay fe-potoana io ka ho tapitra ny alarobia izao, satria raha tapitra izany dia milaza ny hihetsika indray ireto mpianatra ireto momba ny vatsim-pianarany efa-bolana ity. Nambaran’ireto mpianatra ihany koa fa milaza lainga tamin’ny nahafaty ny naman’izy ireo ny minisitry ny serasera tamin’ny onjam-peom-panjakana. Tsy marina avokoa ny nambarany, ka mampitandrina amin’ny filaza lainga tahaka izany ireto mpianatra mba tsy hampitroatra azy ireo indray. Ankilan’izany dia nilaza ny prezidansan’ny oniversite fa nanomboka omaly ny fizarana ny vatsim-pianarana, saingy nanao ity Diabe ity, sy tsy manaiky ny haka ilay iray volana vatsim-pianarana sy ny « équipement » izy ireo, ka tsy tonga tamin’ny fotoana nomen’ny fanjakana azy ireo. Ankoatra izay dia nilamina ity Diaben’ny mpianatra ity omaly, tsy nahitana sakoroka sy fandravana tsena samy hafa, ka misaotra ireo rehetra nandray anjara tamin’izany ny fikambanam-ben’ireto mpianatra.

 Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici