- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Varatra nilatsaka, olona roa namoy ny ainy

Ambatondrazaka : Varatra nilatsaka, olona roa namoy ny ainy

Nitombo roa ireo lavon’ny hetraketraky ny natiora, ao anatin’izao fahavaratra izao. Tany amin’iny distrik’Ambatondrazaka iny dia nisy olona roa indray no maty nilatsaham-baratra, ny faran’ny herinandro teo. Tao amin’ny kaominina Amparihitsokatra, fokontany Morarano ny iray, ary tao amin’ny kaominina Ambohidava Avaratra ny iray, araka ny fampitam-baovao azo. Vehivavy tokony ho 18 taona iry voalohany ary lehilahy kosa ilay faharoa namoy ny ainy. Anisan’ny faritra iray malaza ho « masiaka varatra » ireo raha ireo faritra ao Avaratr’Antananarivo ireo, ary saika mitaintain-dava ireo mponina raha vao manomboka fotsiny ihany ny fahavaratra. Hany herin’izy ireo, raha vao manomboka mananontanona sy mihamaizina ny rahona dia samy mamonjy ny tokantranony avy hatrany ny rehetra, ankoatr’ireo tratra eny an-dàlana. Na izany aza anefa dia maromaro ihany ireo nolatsaham-potaka ao an-tranony, toy ny ireto tany Ambatondrazaka ireto. Teo ihany koa, raha tsiahivina ny tany Anjozorobe, izay vao herinandro vitsy lasa izay, naharava tanteraka ny valin-drihan’ny trano ary namoizana ain’olona sy naharatrana olona maro tao anaty fianakaviana iray. Amin’ny toe-javatra tahak’itony dia maro amin’ireo rehetra any an-toerana no mihevitra fa mazàna dia « tsy voa-janahary velively » ireny varatra milatsaka ireny. Misy ireo olona voalaza fa toa hoe « mahay milalao » izany ary « mahay mandatsaka » izany ihany koa ka « entiny haminganana izay olona mpifanandrina aminy ». Siosion-dresaka ihany aloha hatreto fa tsy mbola nisy ny porofo mazava ahafahana mamantatra izany, raha ho an’ny daholobe, eny fa na dia eo ihany aza ireo fifandrifin-javatra tsy hita hazavaina. Toy ity tany Ambatondrazaka ity, izay voalaza fa tamin’ny fotoana sy ora nitovy kanefa tanana roa sy vohitra roa samihafa tanteraka. Na izany na tsy izany, misy ireo fitandremana tokony ataon’ny rehetra rehefa andro fahavaratra ary diso fantatry ny maro loatra, mba hisorohana ny loza. Anisan’izany dia tsy tokony hihakazahana anaty orana, ny tsy fialofana ambany hazo, ny fihanihana zavatra avo, ny tsy fanakiakezana zavatra vita amin’ny vy, …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici