Maty tsy tra-drano ny rangahy iray nitondra bisikileta, omaly, voahitsaky ny kamiao teny amin’ny Digue Andohatapenaka, tsy lavitra ny fiantsonan’ny takisbirosy. Araka ny voalazan’ny olona teny an-toerana, nianjera ilay mpitondra bisikileta io ka nifatratra tao ambany kamiao ary nitarika ny loza. Voahosin’ny kodiarana noho izany ny lohany ary nitarika ny fahafatesany. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fizahana ity loza ity, ary nitazona ny mpamily avy hatrany. Nalefa eny amin’ny tranom-paty kosa ny razana. Efa ho isan’andro no ahitana faty olona ateraky ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika, ary matetika ireo mitondra kodiaran-droa no tratran’izany. Eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra efa ho isan-kerinandro ireo olona mitondra moto no namoy ny ainy. Raha ity volana feboroary ity, efa nahatratra enina ny isan’ny olona matin’ny moto teny amin’ny lalana Tsarasaotra, ankoatra ny mety ho voadoan’ny fiara. Malalaka loatra ny lalana ka samy mandeha mafy na ny fiara na ny moto, kanefa loza no aterany avy eo. Olana ihany koa anefa ny tsy fahafehezana ny familiana, ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto amintsika. Manampy trotraka ny tsy fisian’ny lalana manokana handehan’ny bisikileta eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Eny Anosibe ihany no ahitana izany, kanefa tsy mahavantana ny olona ny fampiasana azy. Anisan’ny fitaovam-pifamoiviozana mitombo sy mahazo vahana eto amintsika ny moto sy ny bisikileta, indrindra amin’izao fiakaran’ny vidin-tsolika izao. Fotoana fanentanana sy ny fanamafisana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, indrindra ho an’ny mpampiasa kodiaran-droa izao. Eo ihany ny fametrahana lalana ho an’ny bisikileta, indrindra eto an-drenivohitra sy amin’ireo lalam-be mivoaka ny renivohitra. Toy izany koa ireo any amin’ny lalam-pirenena izay maro ny mampiasa moto sy bisikileta. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny mpitandro filaminana, kanefa tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanarahan-dalàna, ny fiarovana ny aina ny tsirairay avy, ka hihena ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.
Yv Sam