- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-Divers67Ha : Rangahy nolazaina fa mpamosavy voasambotra

67Ha : Rangahy nolazaina fa mpamosavy voasambotra

Lehilahy iray tokony ho 44 taona no tratran’ny vaomieran’ny fabdriampahalemana teny 67Ha niborina omaly tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Nambaran’ny olona ho mpamosavy izy io, ary izao tratra izao. Nahazo antso ny polisy fa misy olona mamosavy iny amin’ny faritra 67 ha atsimo iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka lehilahy iray 44 taona miboridana tsy misy akanjo intsony no tratran’ny vaomieran’ny fandriampahalemana teo amin’ilay toerana voalaza etsy ambony. Noentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy  ity rangahy ity nanaovana fanadihadiana mahakasika ilay zavatra nataony. Tsy mbola voamarina ny maha mpamosavy azy, saingy efa mampitaraina ny olona eny an-toerana ny fisian’izany ka nanaovan’ny vaomiera andrimasom-pokonolona ary izao nisy tratra izao. Toe-javatra izay mety hitarika any amin’ny fitsaram-bahoaka raha tsy mitandrina. Soa ihany fa nampandre ny polisy avy hatrany ireo fokonolona raha tsy izany mety ho zava-doza no niseho.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici