Nihorohoro ny tao Ambanja ny talata teo. Tranga toa tsy dia fahita firy ity niseho tao amin’ny fokontany iray atao hoe Maharivaratra, tsy lavitra ny renivohitry ny distrikan’Ambanja. Araka ny loharanom-baovao dia nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika tao amin’nio toerana io andro talata io ka maty tamin’izany ny Andrimatoa Ravelomanatsoa Gérard, izay tale jeneralin’ny Instat teo aloha. Naratra mafy kosa ramatoa vadiny ka mbola tsaboina any amin’ny hôpitaly amin’izao fotoana izao. Mitazona toeram-pisakafoanana na restaurant ao amin’io fokontany io izy mivady. Jiolahy 3 mitam-basy no niditra an-keriny tao an-trano ka nampiasa hery tamin’izy mivady no nandroba ihany koa. Noho ny ratra nahazo azy, izay voalaza fa nototoin’ireo jiolahy tamin’ny vodi-basy mihitsy ny lohany, ilay tale jeneraly teo aloha. Manolona izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana ka omaly ihany dia tovolahy 28 isan’ireo mpanafika no efa voasambotry ny zandary tany an-toerana. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia mirongatra tokoa ny asan-jiolahy any amin’iny amin’iny faritra iny tato ho ato raha tsy hilaza afa-tsy ny halatra lavanily izay tena mampitaraina ny mponina any an-toerana.
T.M.