- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversFokontany Morarano Toamasina : Tany efa vita « Borne », nisy nahavita...

Fokontany Morarano Toamasina : Tany efa vita « Borne », nisy nahavita « titre » ara-pitsarana hafa indray

Saika nivadika sakoroka ilay tranga na raharaha na tany tao amin’ny fokontany Morarano ny alakamisy teo, satria ireo kasaina halana nampiranty fa manana taratasy ara-dalana izy ireo satria tany efa manana “tritre” sy vita “borne” ity tanin’izy ireo ity. ilay vadintany nitondra mpitandro ny filaminana indray nilaza fa manana “titre” sy efa nahazo “borne” avy amin’ny talem-paritry ny fananan-tany, ka tonga hametraka izany izy ireo tamin’ity tranga niseho ny alakamisy teo ity. Samy niziriziry amin’ny heviny ny roa tonta amin’ny taratasy “ara-dalana” teny aminy avy, saingy ilay vadintany kosa nandritra izany sahy nilaza fa hosoka ny taratasy tamin’ireto tompon-tany halana, na samy nahita ny maha-ara-dalana izany avokoa ireo niatrika ity ady tany ity. Raha ny fanazavan’ny taranaky Razafimamonjy Jerome teraka ny tapona 1927 sy Rtoa Rasoavololona Marthe teraka ny taona 1953, izay mpandova ny tany sy mipetraka eo amboniny, dia efa tany amin’ny taona 60 na 70 tany ho any no efa nahavita “titre” laharana “5245-BA” amin’ny anarana hoe “Soavinarivo III”, sy “borne” io tany ipetrahan’izy ireo io ny olom-ben’izy ireo. Gaga izy ireo fa aty amin’ny taona 2015 dia misy milaza ho tompony indray, izany “Atoa Charles” izany, ilay tany; ka efa in-03 tonga saika handrava trano teny ilay milaza azy ho tompon’ny tamin’ny alalan’ny fitsarana ady madio ity. Milaza ny tsy hiala ilay vadintany raha tsy tanteraka ny fandravana araka ny didy navoakan’ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ireo tompon-tany ihany koa tsy nanaiky hatramin’ny farany ny hevitra ity vadintany ity, satria manana taratasy ara-dalana izy ireo na vahoaka mahantra aza. Ankoatra izany dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana misy ireto tompon-tany ireto, mba handinika ny tena zava-misy momba ity raharaha nentina teny amin’ny fitsarana momba ity ady tany ity. Efa saika niafara tamin’ny fidarohana ny vahoaka tamin’ny baomba mandatsan-dranomaso ny raharaha nandritra izany, saingy tsy tanteraka izany tamin’ny ora farany noho ny fanoheran’ireo olom-panjakana teto Toamasina mikasika izany. Ho hita eo ny tohiny ny raharaha…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici