- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna takalon’aina : Vehivavy sakaizan’i « Del kely » roa voasambotra

Fakàna takalon’aina : Vehivavy sakaizan’i « Del kely » roa voasambotra

Vehivavy miisa roa, izay voalaza fa sakaizan’ireo olon-dratsy, dahalo dimy azo sambo-belona, iray maty voatifitra, basy mahery vaika maromaro. Ireo no vokatry ny fifandonana nifanaovan’ny miaramila sy zandary tetsy andaniny ary dahalo, mbola tariky ry Del kely tetsy ankilany, ny faran’ny herinandro lasa teo.

Volana maromaro aty aoriana, taorian’ny nilazan’ireo lehiben’ny mpitandro filaminana fa omena valisoa izay olona mahafantatra na manome vaovao ahazoana misambotra ilay jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe « Del kely », dia mbola manohy ny asa ratsy ataony hatrany ity lehiben-dahalo ity. Tany amin’iny faritra Alaotra, tao amin’ny kaominina Ambakireny, distrikan’i Brieville dia nisy fakàna takalon’aina ny faran’ny herinandro teo, izay nataon’ny tarik’ity jiolahy raindahiny ity. Niditra an-tsehatra avy hatrany nanao ny fanarahan-dia iny miaramila avy ao amin’ny kaompania faha-322 niaraka tamin’ny zandary tao Ambakireny, nanao ny fanarahan-dia. Ny sabotsy sy alahady lasa teo dia nafampana ny fifandonana teo amin’ireo andian-dahalo sy ireo mpitandro filaminana. Ny sabotsy lasa teo ary dia fantatra fa azo teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny basy « kalach »  sy Mas36 miisa roa ary basim-borona iray ; niaraka tamin’ny bala. Tao anatin’izany dia nisy dahalo dimy no voasambotra. Tamin’io fotoana io anefa dia mbola nisy sasantsany tamin’ireo dahalo, izay niaraka tamin’ny lehibeny no tafaporitsaka.

Mbola nitohy ihany araka izany ny fanarahan-dia nataon’ireo mpitandro filaminana, hanenjehana ireto malaso ireto. Miaramila 25 lahy sy zandary telolahy no niaraka tamin’io fotoana io, araka ny fampitam-baovao azo no nifanehatra indray tamin’ireo andian-dahalo. Tao anatin’izany no nisy maromaro tamin’ireo olon-dratsy no maty voatifitra. Nahatratra teo amin’ny fito teo, raha ny vaovao azo. Tetsy andanin’izay dia nisy vehivavy roa, izay voalazan’ny vaovao hatrany fa « sakaizan’ireo dahalo », mpiray tendro sy mpanafina azy ireo no voasambotra. Mbola tsy tratra tao anatin’ireo ihany anefa ingahy Del kely ary tafaporitsaka niaraka tamin’ny vehivavy roa hafa. Nanampy ireo efa tratra kosa dia mbola nisy fitaovam-piadiana hafa azo teny am-pelatanan’izy ireo. Marihana hoy ny vaovao fa na dia eo aza ireo efa azo dia mbola misy basy mahery vaika hatrany eny amin’izy ireo. Efa natolotra ny tomponandraikitra ny fanadihadiana moa ireo olona voasambotra. Mbola mitohy foana kosa ny fikarohana ity lehiben-jiolahy ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici