Ny asabotsy teo, tamin’ny 8 ora maraina fatin-dehilahy iray, 30 taona no hitan’ny olona tany amin’ny fokontany Ambatolampikely, kaominina Ambohitompoina, distrikan’Antanifotsy. Nidina avy hatrany tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobin-jana-paritry Ambohitompoina, raha vao naharay antso, niaraka amin’ny chef CSB II hanao ny fitsirihana ny razana. Rehefa nanao ny fanadihadiana teny an-toerana izy ireo dia nahita fa fihotsahan’ny tany tao amin’ny toerana fangadiana volamena, nataon- dRatompokolahy sy ny namany tao Sandravola ihany no nahafaty azy. Vokatr’izany, nomena baiko ny Sefo Fokontany sy ireo miaramilam-bohitra ao an-toerana mba hanakatona tsy misy hata-kandro ity toerana fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna ity. Fantatra mantsy fa tsy ara-dalàna ilay toerana nanaovan’ireo olona ireo fitrandrahana volamana ka izao nahitan-doza izao. Nentanina ihany koa ireo vahoaka hita teo an-toerana mba hanatsahatra ny fitrandrahana volamena amin’izao fotoam-pahavaratra izao noho ny tany mbola malemy. Misy ihany kosa anefa ny manao io asa io, ka antony nanaovana ny fanentanana mba ialana amin’ny loza mety haterany. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera. Ny zandary Ambohitompoina no mandray an-tanana ny rahahara.
Yv Sam