- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversHomi Soavinandriana : Marary namono sady nitsoaka teny amin’ny hopitaly

Homi Soavinandriana : Marary namono sady nitsoaka teny amin’ny hopitaly

Tsy nampoizana ny zava-nitranga fa toy ny nihetsika krizy tampoka ity rangahy iray marary teny amin’ny hopitaly Homi Soavinandriana, omaly maraina. Teo am-pizahana azy io ny dokotera no nitsoaka tampoka izy ary nifampitazomana, saingy tsy voatazona. Nitazona azy na ny mpiambina marary na miaramila miasa eny amin’ny hopitaly saingy tsy voatana, fa sady mamono izy io. Nitsoaka nihazo an’i Besarety ka narahin’ny mpanaraka marary ka voatazona teny an-toerana, izay efa nifampitolomana ihany koa, ary voatery nafatotra. Naiditra tamin’ny fiara fitaterana marary ary nentina niverina teny amin’ny hopitaly. Rehefa tonga teny an-toerana anefa, voalaza fa tsy naharitra ela izy io dia lasa nirifatra indray. « Nisy mihitsy ny dokotera voan’ny totohondry ka tsy nahavita nanaraka intsony fa namela azy nandeha. Nandray taxi-be ilay lehilahy avy eo », hoy ny fitantaran’ny vehivavy mpanampy mpitsabo teny an-toerana. Lehilahy lava ranjanana izy io, ary voalaza fa miaramila, saingy marary noho izy io voadona tany amin’ny lohany. Efa mandeha matetika eny amin’ny homi Soavinandriana manao fizaham-pahasalamana izy io, ary misy fotoana mihetsika ihany fa ny omaly no tena nahery setra. Manaraka fitsaboana ara-dalàna izy io izany fa tsy olona marary saina toy ireny eny an-dalambe ireny akory.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici