- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faha-7 : Sprinter nifandona tamina kamiô, ramatoa iray maty

Lalam-pirenena faha-7 : Sprinter nifandona tamina kamiô, ramatoa iray maty

Dia mbola nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona indray teny amina lalam-pirenena ! Ramatoa 44 taona no namoy ny ainy, raha nidona tamina kamiô be mpitondra fasika, ny taxi-be iray, Sprinter, ny talata hariva lasa teo, teny Bongatsara, Antananarivo Atsimondrano, lalam-pirenena faha-7. Raha ny fantatra dia nanao “special” avy any Antsirabe handeha hody aty Antananarivo io taxi-be io no nipotsaka tampoka ny “frein”-ny. Tsy tana intsony ity fiara ity ary niafara teny amin’ny vodina kamiô iray mpitondra fasika. Mafimafy ihany ny fifandonana. Namoy ny ainy tao anatin’izany ity ramatoa be iray ity, ary potika tanteraka tamin’izany ny lohan’ilay fiara. Fa mbola io talata io ihany, teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 kosa. Fiara “mini-bus” Marika Toyota, no nivadika teo amin’ny PK 130, fokontany Kivaha, Distrika Ankazobe. Raha ny fantatra dia fiara handeha hitondra mpianatra amina Oniversité iray eto Antananarivo, hanao “voyage d’étude” any Mahajanga ity niharan-doza ity. Ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa vokatry ny fahatapahan’ny “amortisseur” havanana no nahatonga ny loza. Vokany: mpianatra 4 no naratra mafy ary voatery nampidirina hôpitaly ao Ankazobe.

Asa raha mba rahoviana ry “zareo ireo” no ho tonga saina ? Tato anatin’ny andro vitsivitsy monja izay dia ain’olona maromaro ihany izay no nafoy teny amin’ireny lalam-pirenena ireny. Saika anton’ireo lozam-pifamoivoizana ireo dia, na fandehanana mafy loatra, na olana ara-teknika eo amin’ireo fiara. Lasa ihany ny saina manao hoe atao inona fotsiny ireny “mpiaro ny vahoaka sy ny … “ainy” eny amin’ireny lalam-pirenena ireny raha izany. Atao inona fotsiny ihany koa ny fisian’ireo mpitsara fiara, raha toa ka fiara efa fantatra fa tsy tomambana, na tsy mendrika ny hiasa intsony, nefa mbola afaka miriaria sy mivezivezy soa aman-tsara eny amin’ny lalana eny …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser