- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntanandava-Antafia : Zazakely iray narian-dreniny tany anaty ala

Antanandava-Antafia : Zazakely iray narian-dreniny tany anaty ala

Tao anaty ala no nisy zazakely iray. Nifono selofanina miloko fotsy ary norakofana lamba. Zazarano efa ary tongotra aman-tanana. Izany hoe vao teraka no nariana tao anaty ala tao Antanandava-Antafia, any amin’ny kaominina ambanivohitra Bemokotrà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Tsy fantatra ity reny nahavanon-doza nanary ny zanany ity. Ilay zaza mbola nisy tadim-poitra no nanaitra ny maro, ka nampitangorona azy ireo. Voalaza fa ankizy handeha hamatotr’omby vaomaraina no nahatsikaritra izany voalohany. Izy indray no nampandre ny olona tao an-tanàna. Toerana hivezivezen’ny mpiarakandro sy mpiasa volamena iny ampita atsinanana an’Antanadava iny ka vetivety dia mahoraka rehefa misy tranga hafahafa. Mety ho tamin’ny andro alina na vao maraina mangiran-dratsy no nanateran’ilay reniny ity zazakely voalaza fa lehilahy ity. Noho izany, dia tsy nisy nahatazana ny nanarian-dreniny azy, hoy ny fanazavan’ny mponina. Raha ny vaovao marim-pototra avy any an-toerana hatrany dia nomen’ny fokonolona an’ilay ramatoa ao Antanandava ny hitaiza sy hanabe ity zazakely narain-dreniny ity. Samy manana ny heviny manolona ny tranga ny rehetra. Misy ny nalahelo noho ny toetra mamohehatra toy izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici