Lehilahy iray, tokony ho 29 taona no nampidirina am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, noho ny antony fangalarana « panneau solaire », teny amin’iny faritra Tsarahonenana iny. Tra-tehak’ireo pôliosy mpanao fisafoana, teo am-panongotana izany mihitsy ranamana tamin’io fotoana io. Noraisim-potsiny ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo Antaninandro. Natolotra ny Fampanoavana ary io nadoboka am-ponja vonjimaika io. Araka ny fampitam-baovao dia misy ny hetsika manokana ataon’ireo pôlisy eo anivon’ity kaomisaria ity hamongorana ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny faritra Atsinanan’ny renivohitra iny. Manomboka eo Anjanahary, Ampasampito, Andraisoro, Tsarahonenana, Ambatomaro, Antsobolo, sns. Misy hatrany ny fisafoana na andro na alina nataon’izy ireo, indrindra fa ny fitsofohana amin’ireo elakelan-trano eny an-toerana. Hatreto dia miara-mahita aloha ny rehetra, indrindra fa ireo mponina eny amin’iny faritra iny, fa dia mihena tokoa izay asan-jiolahy izay. Teo aloha teo anefa dia efa voasakajy ho isan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriam-pahalemana ireo faritra ireo.
m.L