- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivoanjo Tanjombato : Mpiantsena voatafika, lasa ny vola 700,000 ariary

Ambodivoanjo Tanjombato : Mpiantsena voatafika, lasa ny vola 700,000 ariary

Ela nitoratorahana ry zalahy ireto ! Telolahy izay nanafika mpiantsena vao maraina ary nahazoan’izy ireo vola aman’hetsiny maromaro no tra-tehaky ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’i Tanjombato ny alarobia teo.  Ny zava-nisy : vehivavy iray handeha haka entana vao maraina, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any no nifanehatra tamin’ny olon-dratsy, teo amin’ny dimilahy teo, ny tapatapaky ny volana febroary tany. Araka ny fitantaran’ilay ramatoa tamin’ireo mpitandro filaminana dia mody mibaby kitapo, toy ireny olona handeha hiasa vao maraina ireny ihany koa ny fihetsik’izy ireo. Teo anatrehan’izany, tsy nanampo na inona na inona ity ramatoa mpiantsena ity. Injay anefa, nony nifanena izy, avy hatrany dia nohodidin’izy dimy lahy ilay ramatoa ary tsy navelany handeha hanohy ny diany. Narangarangan’izy ireo avy any ny antsy lavaleva miisa roa no sady nandrahona ity ramatoa irery ny hamoaka ny vola rehetra tany aminy izy ireo. Nentin’ny tahotra noho izany ity farany ka namoaka tsy fidiny ireo vola tany aminy, saika hividianana entana. Vao azon’izy ireo ny vola mitentina eo amin’ny fito hetsy ariary teo dia nitsoaka toy ny tsy teo ireo jiolahy. Nametraka fitoriana avy hatrany tany amin’ny pôlisy ity lasibatra ary nanomboka teo ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto, izay raha ny fantatra dia efa maro ihany no lasibatra. Izao nahazoam-bokatra izao moa ka tratra ihany ny farany, tapa-bolana taty aoriana. Mbola misy naman’izy ireo karohina fatratra amin’izao, isan’ireo nandray anjara tamin’ity fanendahana ity, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici