Habibiana nataon’ny mpangalatra! Tovovavy iray 24 taona no maty notsatohan’ny jiolahy ny antsy teo an-tsena, tany Alakamisy Ambohimaha, omaly tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro. Araka ny fanazavana, nisy jiolahy mpangalatra nifaoka ny satroka iray fonosana miisa 30, izay anisan’ny entana namidin’ity vehivavy mpivarotra ity. Nanenjika izy noho izany ka tratrany ity mpangalatra, saingy namoaka antsy ilay jiolahy, ary nolerany ilay tovovavy. Tsy afa-niala moa izy io ka voatsindron’ilay antsy, ka nijininika ny rà. Ny entana nangalarina kosa natsipin’ilay mpangalatra, ary avy hatrany dia nirifatra nitsoaka izy. Vokatry ny faheverezan-drà be loatra dia tsy tana ny ain’ilay mpivarotra. Mandeha ny fikarohana ilay tovolahy mpangalatra sady nahavanon-doza. Efa mandray andraikitra rahateo ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity.
Yv Sam