Vola manodidina ny iray tapitrisa ariary no azon-dRajesosy sy ny namany, tamin’ny ramatoa iray, niharan’ny asa ratsin’izy ireo ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany hariva tany ho any tetsy Anatihazo Isotry. Raha vao naharay ny fitarainana fotsiny ihany ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra dia nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ka tsy niandry ela akory dia noraisim-potsiny teo Andavamamba, tsy lavitry ny sekoly ambony iray ny mpanendaka rain-dahiny, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Rajesosy ». Marihana, hoy hatrany ny vaovao fa olona efa maro no lasibatr’ity tontakely ity sy ny namany teny amin’iny faritra Manarintsoa sy ny elakelan-tranon’Anatihazo Isotry iny, efa fotoana maromaro izay. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa tsy afa-nikofoka sy niporitsaka intsony ingahirainy ary nentina avy hatrany natao famotorana. Voalaza fa mbola izy irery aloha no tratra tamin’io fotoana io ary mbola eo an-dalam-pikarohana ireo « mpianany sy mpiara-dia » aminy ireo mpitandro filaminana. Ilay vola an-tapitrisany, niaraka tamin’ny finday roa kosa dia tsy mbola tavaferina.
Fa ankoatra an-dRajesosy dia nambaran’ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena fa mpanendaka sy mpangaraom-paosy miisa roa no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, ny faran’ny herinandro teo. Ny iray, tra-tehaky ny pôlisy tsy manao fanamiana, raha teo am-panaovana ny asa ratsiny, teo amin’ny fiantsonan’ny taxibe, Meteo Ampasampito. Ny iray kosa voasambotra teo am-panendahana olona, tsy lavitry ny toeram-pitsaboana iray tetsy Ankadifotsy. Efa samy nentina natao fanadihadiana tany amin’ny birao avy hatrany izy roa lahy ireto ary nadoboka am-ponja avy hatrany, taorian’ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L