- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo atsinanana : Variana misava harato, hadino ny tena asan’ny mpitandro filaminana

Fenoarivo atsinanana : Variana misava harato, hadino ny tena asan’ny mpitandro filaminana

Tena mampimenomenona ny vahoaka ao Fenerivo atsinanana ny tsy fahandriampalemana misy ao an-tampon-tananan’ny kaominina amin’izao fotoana izao.  Vao tsy ela akory izay dia tovolahy mpitaingina môtô nandalo tao amin’ny fokontany Amparatagnana no nosakanan’ireo mpandroba fito lahy. Soa fa tsy lasa ilay môtô nentina saingy naratra mafy ity tovolahy ity nandritra izany. Ankilan’izany dia tranga hafa koa no niseho vao tsy ela izay tao an-tampon-tananan’ny Fenoarivo atsinanana ihany, olona efatra no voahendaka. Nahenoana vaky trano koa isaky ny alina nanomboka ny talata 09 marsa teo tany an-toerana. Zavatra tsy mbola fahita tao amin’ny kaominina Fenoarivo atsinanana mihintsy izany. Na eo aza ireo zava-mitranga ireo dia tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitandro ny filaminana izany, fa aleon’izy ireo manenjika ireo mpanarato amin’ny fisavana ny haratony isan’andro. Nanaitra ny mponina mantsy ny nahita ireto polisy niaraka tamin’ny sampan-draharahan’ny jono ao Fenoarivo atsinanana nisava ireo mpanjono ny alarobia 10 marsa teo. Nandritra izany dia noraofina ny harato amin’ireo harato sarika tratra tsy manara-dalàna, ka dorana avy hatrany eo imason’ny tompony mba tsy ho azo ampiasaina intsony. Lasa mahatonga famoahan-kevitra maro izao zava-misy any an-toerana izao, satria tena tsy olana ho an’ny mpitandro ny filaminana intsony izany ny filaminam-bahoaka, fa ny fandraofana harato sy fisavàna izany no mahamaika azy ireo. Mirongatra anefa ny tsy filaminana eo an-tanàna amin’izao fa tena tsy mahita mpitandro ny filaminana mihetsika mikasika izany ny mponina, na ireo fisafoana Tanàna isam-pokontany aza tsy misy akory ao Fenoarivo atsinanana ao ankehitriny. Nilaza moa ireo vahoaka nanontaniana fa mety hifarana amin’ny fidinana an-dalam-be ihany izao raharaha izao tsy ho ela raha mbola tsy miova amin’ny fanaony ireo mpitandro ny filaminana ao an-toerana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici