- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFort-Dauphin : Voaroba ny fiaran'ny depiote iray

Fort-Dauphin : Voaroba ny fiaran’ny depiote iray

Zaza tsy ampy taona ny dimy tamin’ireo olona fito izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandrobana. Vola mitentina valo tapitrisa ariary miampy fitaovan-tserasera toa ny finday avo lenta sy « tablette » no lasan’ireo niaraka tamin’ny antontan-taratasy maromaro. Adinon’ilay olom-boafidy ny nanidy ny fiarany izay nipetraka teo amin’ny fokontany antsoina hoe Ampotatra. « Tsikaritr’ireo ankizy nilalao teo amin’ny manodidina izany ary niitatra ny sain’ireo nanokatra ilay fiara. Nalain’izy ireo avokoa ny poketra nisy firavaka lafo vidy maro samy hafa, ny « tablette » marika Samsung, finday marika Samsung galaxy s8 ary ny taratasy maro samihafa. Ny tena fahavoazana be dia ny fahaverezan’ny lelavola izay mitentina valo tapitrisa ariary tao anaty fiara », raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana. Dimy andro taty aoriana, rehefa nosokafana ny fanadihadiana dia nahazo vaovao ny polisy mahakasika ireo ankizy nangalatra. « Voasambotra ny andron’io ireo ankizy ireo rehefa nanao ny fikarohana ny mpanao fanzdihadiana. Niaiky avokoa ireo nandritry ny famotorana ary mbola nanoro ireo olona efatra hafa izay nividy ireo entana avy nangalarina », raha araka ny loharanom-baovao. Niroso tamin’ny fisamborana ny mpividy halatra ary mbola tafaverina ny ankamaroan’ireo entana. Ny vola kosa nanjavona ary tsy hita hatramin’izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici