Lehilahy iray 26 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny commissariat CSP4 Isotry ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany noho ny halatra miaro herisetra. Nandritra ny fisafoana tamin’ny alina nahatrarana ity jiolahy ity. Mbola tratra teny aminy ny antsy lava lela fampiasany. Io fitaovana io izay fampiasany amin’ny asa ratsy fanaoany. Efa raindahiny mihitsy satria izay sendra azy dia ambanany ilay antsy ary mihorohoro avy hatrany. Tsy miahotra ny ampiasa izany rahateo ilay jiolahy. Sao ihany fa tratran’ny polisy, fa ny aza mifanena aminy. « Ho famongorana hatrany ireo mpanao asa ratsy sy tonta kely amin’ny fari-piadidiany ao amin’ny CSP4 Isotry dia mitohy hatrany ny hetsika fandriana fahalemana atao amin’ny alalan’ny fisafoana ny faritra », hoy ny fanazavana. Araka izany, mitohy ny ady amin’ireo asan-jiolahy izay mirongatra tantareka amin’izao fotoana izao, na fanafihana mitam-basy, na fanendahana an-kitsirano. Efa isaky ny fokontany, elanelantrano sns ahitana asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Mampitaraina ny maro rahateo ny afitsoky ny jiolahy, izay efa tsy mifidy asina ratsy intsony. Ny manana basy sahy mitifitra, manohitra polisy, ny manana antsy lava lela ihany koa mampijaly ny vahoaka madinika. Miandrandra ny vokatry ny asan’ny mpitandro filaminana sisa ny olona.
Yv Sam